Hanatanteraka fivoriambe ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra (Seces) eto Antananarivo, anio, eo amin’ny Esplanade Ankatso. Hiakanjo mainty sy fotsy na ny toge izy ireo amin’izany. Marihina fa mijoro manohana ny hetsiky ny tanora maniry ny hitondra fanovana ny Seces. Efa nilaza fa manana ny drafi-pitantanana sy paikadim-pirenena […]
Auteur/autrice : Adnews
Sendikàn’ny mpiasan’ny fahasalamana : Nampikatso ny asam-pitsaboana nanomboka ny alarobia teo
Manamafy ny fitakiana ataony ny sendikà misehatra amin’ny fahasalamana eto Antananarivo sy any Toamasina. Nanomboka ny alarobia lasa teo ny fampiatoana ny asam-pitsaboana rehetra, hoy ny fanambarana. Natomboka ny alatsinainy lasa teo, nandritra ny fampiakaran-tsaina teny amin’ny Hopitaly kely, Tanambao I, izay misy ny biraon’ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana ny […]
TARATRY ny KANTO
Miantso ireo mpanakanto namany i Nate Tex. « Ho an’ireo zoky, raiamandreny, zandry, mpiara-miasa eo amin’ny sehatry ny hira, dihy, sary, asa soratra, sns, fotoana re izao hitenenana. Be mpanaraka ianareo ary maro mpihaino rehefa miteny. Mitenena », hoy ny antso nataon’ity mpanakanto ity. Anisan’ireo tazana foana niara-dia tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana i […]
Tarika Ramilison – Tarika Rossy: « Nitaiza sy nanampy olona maro i Mamamely… »
Meltine Rasoloarisoa no tena anarany. Mely, Mamamely, Totoa Mely, samy anarana fiantson’ireo akaiky azy avokoa izany. Nodimandry ny alakamisy teo ity mpanakanto ity, araka ny efa notaterina omaly. 58 taona i Meltine izao nandao ny tany izao, rehefa avy nolazoin’ny aretim-po fotoana ela, raha ny nambaran’ ny fianakaviana. Mpanakanto nandova […]
Antanetibe Mahazaza: Hanafana ny « Fetiben’ny atody » ry Njakatiana sy Mahaleo
Fiompiana, fambolena, hainahandro, fialamboly, zavakanto, kolontsaina… Tafiditra anatin’ny hetsika « Fetiben’ny Atody » avokoa ireo. Hisokatra anio izany, eny Antanetibe Mahazaza. Ny atody sy ny tontolony. Manodidina izany ny « Festival des œufs » na ny « Fetiben’ny atody », izay hiditra amin’ny andiany fahefatra, eny Antanetibe Mahazaza. Andro iraisam-pirenena ho an’ny atody rahateo ny 10 […]




