Anisan’ny asa lehibe atao amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-4 ny fanamboarana vahilava vita amin’ny « béton », antsoina hoe « radier ». Anisan’izany ny ao Antanambao, Maevatanàna, eo amin’ny PK315+400. Manaraka ny fandaharam-potoana napetraka ny fizotry ny asa. Vita hatrany amin’ny 90% ny asa fandrotsahana ny simenitra, fasika, vatokely (béton) anaty rafi-by. Asa atao […]
Auteur/autrice : Adnews
Toe-draharaha sarotra : Ahena ny fomba fiasa eny amin’ny Fadintseranana malagasy
Manohy ny asany ny sampandraharahan’ny fadintseranana na eo aza ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Misy koa ny fandaminana manokana, sady hikarakarana ireo manan-draharaha aminy. Mandray fepetra ny fitantanana foibe ny Fadintseranana malagasy, mba hampandeha araka ny tokony ho izy ny fomba fiasa. Napetraka ny dingana « Procédure Downgrade » manokana, izany hoe, […]
INDRAY MIJERY
Ny filankevitra siantifika dia mampahatsiahy sy manamafy fa mbola miato aloha ny fampianarana, ny fanadinana sy fifaninanana, eny anivon’ny toeram-pianarana rehetra ato anatin’ny oniversiten’Antananarivo, mandra-pisian’ny fandaminana vaovao. Maro anefa ireo tanora vao afaka bakalorea farany teo no mikasa ny haka ny diplaoma eny amin’ny sampandraharaha misahana izany eny Ankatso satria […]
Fiverenan’ny fampianarana : Miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha
Hiverina an-tsekoly ny ankamaroan’ny mpianatra ho an’ny anio raha ny toromariky ny mpitantana ny toeram-pampianarana eto an-dRenivohitra. Tsy misy ny antoka anefa fa hilamina ny toe-draharaha, ny mpitarika ny hetsika fitakiana mandrangaranga fa tsy miato izany hatreto. Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny momba ny fiahiana ny zanany handeha any an-dakilasy. Alefa […]
Toetry ny andro : Ho mafy ny rivotra sy ny onjan-dranomasina
Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo sy ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy. Tom-banana hahatratra 55 km isan’ora izany. Nanomboka omaly, teo anelanelan’i Itampolo sy Taolagnaro ary hitohy anio eo anelanelan’i Vohemar sy ny tanjona Bobaomby. Mety hisy ny fahasarotan’ny fifamoivoizana sy faharendrehana an-dranomasina ary ny fikorontanan’ny asa […]




