Auteur/autrice : Adnews

Ambodimita : Lehilahy hita faty teo amoron’arabe

Lehilahy iray namoy ny ainy amoron’arabe, teny Ambodimita, omaly maraina. Mpandalo maraina no nahatsikaritra ny fisian’io olona io. Kotsan’ny orana ny akanjon’ilay lehilahy ary mety ho nitarika ny fahafatesany izany. Ahina ho tratra alina ilay raim-pianakaviana ary nandeha an-tongotra nanaraka ny vahilava nandritry ny alina. Nie­zaka namantatra azy ny mponina […]

Vaovao momba ny MSA: Nivoaka tamin’ny fahanginany ny vondrona Sodiat

Mitsipaka ny fiampangana azy ny tale jeneralin’ny Vondrona Sodiat, Ravatomanga Maminiaina, manoloana ny vaovao navoakan’ny RFI… Taorian’ny vaovao izay navoakan’ny onjam-peo, Radio france internationale (RFI), ny 1 oktobra lasa teo, izay nitonona ankolaka ny anaran’ny filoha tale jenera­lin’ny Vondrona Sodiat, Rava­tomanga Maminiaina. Nisy ny fanitsiana sy fanazavana na­taon’ity vondrona ity, […]

VAOVAO TAMBATRA

Mampandre ny vahiny mitsidika eto Mada­gasikara ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA), fa misy ny laharana finday azo antsoina, hanomezana torolalana azy ireo, manoloana ny toe-draharaha eto amintsika. Ireto avy izany: 034 02 661 13, 038 48 568 65, 038 60 024 36 ary ny 038 51 599 51. Azo atao koa […]

Fanavaozana ny lalam-paritra : Mandroso ny asa any Fenoarivo Atsinanana sy Vohilengo

«Mandeha ny asa!» Araka ny vaovao navoakan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, (MTP), omaly, mandroso tsikelikely ny asa fikojakojana amin’ny lalam-paritra RP13A (RR ALJ-01), izay mampitohy an’i Fenoarivo Atsinanana (pk 0+000) sy Vohilengo (pk 23+000). Ny orinasa Pro Béton no tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany. Amin’izao fotoana, ny “reprofilage”, izany hoe […]