Auteur/autrice : Adnews

Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle: “Tsikeraina tsy araka ny tokony ho izy ny zava-mitranga rehetra”

“Anisan’ny mampalahelo ny fitsikerana tsy araka ny to­kony ho izy ny zava-mitranga rehetra eto amin’ny firenena. Fantatra fa izay no asan’ny mpanohitra”. Io ny nambaran’ ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, i Sahondrarimalala Marie Michelle, omaly, ny amin’ ny resabe atao sy voizin’ny sasany hoe tsy tonga tamin’ny fodiamandry ny vadin’ny filoha […]

Hetsika Rohy : Mila hatsaraina ny fanabeazana olom-pirenena

“Misy fanatsarana tokony hatao koa eo amin’ny fanabeazana olom-pirenena momba ny fifidianana”, hoy ny mpandrindra teknika ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Niaina Hari­jaona, ny amin’ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana ho amin’ny fandatsaham-bato manaraka. Eo koa ny amin’ny fametrahana ny demokrasia sy ny fanjakana tsara tantana amin’ny ankapobeny. Fantatry ny […]

Kianja CFFA Andoharanofotsy : Hapetraka ny « tribune » sy ny « vestiaire »

Hiova endrika manomboka amin’ny fifaninanam-pirenena 2025/2026 ny kianja CFFA Andoharanofotsy. Hisy “tribune” sy “vestiaire” ary voafefy ny manodidina ny kianja filalaovana. Hanomboka ny 10 septambra ho avy izao ny asa fanamboarana, araka ny nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny ligin’Analamanga Nambaran-dRakotoa­ri­ma­nana Henintsoa (Tôta), filohan’ny ligin’Anala­manga, sady mpitantana ny klioba CFFA tamin’ny mpanao […]

INDRAY MIJERY

Lanonana roa sosona no notanterahina ao Maintirano, faritra Melaky. Ny lalaon’i Melaky sy ny festival Barea andiany voalohany. Haharitra 10 andro ny hetsika, izay nohararaotina amin’ny fanentanana mom­ba ny fiarovana ny tontolo iainana. Niresaka momba ny fanamafisana ny fiaraha-miasa efa nisy ny teo amin’ny MTEFoP sy ny masoivohon’i Inde. Lafim-piaraha-miasa […]

Iray volan’ny Alzheimer : Hisy ny fihaonana amin’ny fianakavian’ny marary

Volana maneran-tany ho an’ny aretina alzheimer ny septambra, manao antso ho an’ny isam-batan’olona, ny mpiasan’ ny fahasalamana, ny fiarahamonina ary ny fanjakana handray andraikitra ny fi­kamba­na­na Ma­dagascar Alzheimer Ma­so­andro mody. Mbola mipetraka ho sakana tsy ahafahana mi­tily ny aretina mialoha sy mi­ton­dra fitsaboana mahomby ny fa­nili­kilihana sy ny hevitra raiki-tam­pisaka […]