Hotanterahina eo amin’ny Lycée JJ Rabearivalo Analakely ny « Salon de l’étudiant », karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa miaraka amin’ny CIDST Tsimbazaza, ny 4 hatramin’ny 6 septambra izao. Amin’io fotoana io no hahafantaran’ny mpitsidika ny karazana oniversite misy eto Madagasikara sy ireo karazana lalam-piofanana misy. Hanana tranoheva amin’izany ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
“High School Scholarship »: Vatsim-pianarana omen’Ambatovy an’ireo mpianatry ny Lycée
Manome tohana mitohy eo amin’ny lafiny fampianarana, manomboka amin’ny ambaratonga faharoa hatrany amin’ny Oniversite, izay haharitra 10 taona Ambatovy, noho ny fisian’ny fandaharanasa vaovao. Manomboka amin’ny taona faha-6 amin’ny ambaratonga faharoa ka hatrany amin’ny taona fahatelo eny amin’ny Oniversite izany. Manamafy ny fandraisany andraikitra amin’ny fanohanana ny fanabeazana ao anatin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Hatao ny 4 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao ny FIA, Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, eny amin’ny CCI Ivato. Hiaraka tontosaina amin’io koa ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny nahandro, andiany voalohany. Izany hoe, hiaraka ho hita eny ny lafiny famokarana, ny fanodinam-bokatra, hatrany […]
« Vitrine de Vakinankaratra »: Homena vahana ny tanora mpandraharaha
Hatao ny 11, 12 ary ny 13 septambra 2025 ho avy izao, eo amin’ny Araben’ny Gara Antsirabe, ny foara «Vitrine de Vakinankaratra». Mikarakara ity andiany faha-27 ity ny Fiova Vakinankaratra, ary anisan’ny mpanohana mivantana ny orinasa Yas. Lohahevitra noraisina ny hoe «Ny fitomboan’ ny orinasa» na «La croissance des entreprises». […]
Tetikasa ASAM: Hampiroboroboina ny famokarana anaty rano
Hiara-kiasa ny Fitantanam-paritry ny Jono (DRPEB) Matsiatra Ambony sy ny APDRA, ao anatin’ny tetikasa Asam 4F. Manatanteraka azy ny APDRA sy ny GIZ, vatsian’ny Fiaraha-miasa alemà ara-bola. Natao sonia ny 2 septambra teo, tany Fianarantsoa, ny fifanarahana. Haharitra herintaona izany ary hisy ny tombana atao amin’ny fivoaran’ny fandrosoan’ny asa sy […]




