Auteur/autrice : Adnews

Zava-mahadomelina : Nodorana ireo crystal Méthamphétamine

Nodorana sy nopotehina omaly, tetsy amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka ny “Crystal Méthamphétamine”, milanja 10,9 kilao. Karazan-java-mahadomelina mahery vaika izay ampiasan’ny olona sy hita misy mivarotra eny amin’ny takotakona eny izy ity. Nanatanteraka ny fandorana izany ny Poli­sin’ny Stup sy ireo mpitsara nanome alalana ny fandorana. Tsiahivina fa tratran’ny polisy miady amin’ny […]

Trano nirehitra : Ramatoa iray maty kilan’ny afo tetsy Ambohimanga Rova

May kilan’ny afo nandritra ny firehetan’ny trano fonenany tetsy Ambohimanga Rova ny renim-pianakaviana iray, ny alahady alina teo. Tavela tao an-trano izy ary hita tao anaty “baignoire” ny razana izay efa may tanteraka. Nitrangana haintrano na­hafatesan’olona tetsy amin’ny sampa­nana Am­bohimanga Rova, fokon­tany Ambohitrandria­manjaka, kaominina Ambohi­manga Rova ny alin’ny alahady hifoha […]