Notanterahina ny herinandro teo ny hetsika “Festival de la RN 7”. Nambaran’ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Vyvato Rakotovao, fa azo trandrahina tsara amin’ny sehatry ny fizahantany ny lalam-pirenena faha-7. Nanteriny fa ahitana ny tolotra rehetra ilaina amin’izany sehatry ny fizahantany izany ireo tanàna manamorona iny lalam-pirenena iny. “Anisan’izany ny tontolon’ny sakafo […]
Auteur/autrice : Adnews
Heriniaina Jean Jacques: Jamba lasa mpampiofana amin’ny tontolon’ny fananahana
Manana fahasembanana eo amin’ny fahitana i Herinaina Jean Jacques. Niezaka sy nihoatra teo amin’ny fiainana izy, nanaraka fiofanana ary lasa mpampiofana amin’izao fotoana. Antony nandrisika azy, tamin’izany, ny tsy fisian’ny olona manana fahasembanana misehatra amin’ny tontolon’ ny fampiofanana. Misokajy ho efatra ny fahasembanana mpahazo ny olona. Eo ny sembana ara-tsaina, […]
Ambatoboeny : Rongony 24 kg saron’ny zandary
Natsipin’olona nampiahiahy avy hatrany ny rongony tamin’ ny gony nentiny rehefa nahatazana mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina ambanivohitra Manerinerina, distrikan’ Ambatoboeny, ny 17 aogositra teo, izy ireo. Naharay loharanom-baovao ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa misy olona mitatitra rongony mihaodihaody ao an-tanàna. Mpamatsy rongony ao amin’ny tanànan’Ambatoboeny rahateo […]
Kaominina Miary : Alika romotra nanaikitr’olona
Olona tsy latsaky ny sivy no voakakitry ny alika tao amin’ ny kaominina Miary, distrikan’i Toliara II, hatramin’ny omaly. Alika iray mirenireny an-dalambe io nanaikitra olona io ka nivoa-dra izay tratrany. Misy olona hafa koa, efa niharan’ny kaikitr’alika saingy alika hafa loko sy karazana. Manahy amin’ ny mety hisian’ny alika romotra […]
“Fête du Basket NBA” : Efa tonga eto i Anthony Tolliver sy i Sylvia Fowles
Noraisina teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly, ireo kalaza NBA tonga hizara traikefa eto Madagasikara, i Anthony Tolliver sy i Sylvia Fowles, niaraka tamin’ny masoivoho amerikanina. Nandritra izany no nanambarana ny anton-dia sy fandaharam-potoan’izy ireo eto Madagasikara, mandritra ny fandalovany. Araka izany, hatao ny sabotsy 23 aogositra […]




