Tsy fanatanjahantena fotsiny ny baolina kitra fa sehatra ahafahana mifanampy! Tahaka izany hita tatsy Seychelles, ny faran’ny herinandro teo, rehefa nanaiky ny hanao lalao ara- pirahalahiana hanaovana asa soa ny Malagasy mpilalao baolina kitra teo aloha, monina any La Digue sy Praslin. Nifanandrina tamin’ireo mpilalao seyseloa fahiny izy ireo. Nandresy […]
Auteur/autrice : Adnews
Kitra – “Coupe des Champions” : Miandrandra fanampiana amin’ny fanjakana ny FC Rouge
Efa mby akaiky ny andro hiatrehan’ny FC Rouge ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Coupe de la Confédération Caf 2026”. Mbola manantena fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo amin’izao fiarovana ny voninahitr’i Madagasikara izao. Klioba hiaro ny voninahi-pirenena malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Coupe de la Confédération Caf”, ny FC […]
VAOVAO TAMBATRA
Mandray anjara amin’ny World Water Week-end any Stockholm i Madagasikara. Fifanakalozan-kevitra mifantoka amin’ny fanamby sy vahaolana ho an’ny sehatry ny rano, fanadiovana ary fidiovana izy ity, indrindra ny anjara toeran’ny tanora sy ny fikojakojana fotodrafitrasa. Nohamafisin’i Madagasikara ny fahavononany hiara-kiasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena ho fanatrarana ny ODD 6, momba ny […]
Tetibola 2027: Hirosoana ny fitsinjaram-pahefana ara-tetibola
Natomboka tany Miarinarivo, Faritra Itasy, ny 21 aogositra teo, ny fikaonandoham-paritra momba ny tetibola (CBR 2026). Tanjona ny hananan’ny faritra anjara toeana lehibe ao anatin’ny Tetibolam-panjakana 2027. Natao izany, hamaliana ny filàna sy ny laharam-pahamehana eny ifotony. Hampifandraisana bebe kokoa ny zava-misy sy ny fandrindrana ny tetibolam-panjakana ankapobeny, hifandraika amin’ny […]
Bezaha: Mpisehatra ara-piompiana 30 vaovao
Nahavita ny fiofanany mahakasika ny famokarana sy ny fahasalaman’ny biby (APPSA) ireo mpisehatra miisa 30 any amin’ny kaominina Bezaha, Faritra Atsimo Andrefana. Naharitra 21 andro ny fiofanana, ka ho lasa eo ambany fiahiana sy fanaraha-mason’ny dokoteram-biby na veterinera izy ireo. Novatsiana fitaovam-piasana tsirairay avy ireo mpisehatra, toy ny bisikileta, vatakely […]





