Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tetsy Ilafy, ampitan’ny Somacou, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any. Lehilahy iray mpiasa ao amin’io orinasa io no maty voadonan’ny fiara karetsaka iray teny an-toerana. Nandeha mafy ny fiara, naratra mafy noho ny dona nahazo azy ilay rangahy ka nitarika azy […]
Auteur/autrice : Adnews
Vono olona tao Toamasina : Voasambotra ny naman’ilay hita faty
Niaiky heloka ho anisan’ny nandray anjara tamin’ny famonoana ny namany tao Toamasina ny lehilahy iray 19 taona, nandritra ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana azy. Olona telo no niaraka nanatontosa io vonoan’olona io ka karohina ny roa, araka ny fanazavan’ny zandary miasa eo anivon’ny sampandraraha misahana ny fikarohana heloka bevava izay […]
Voahitsaky ny kamiao: Mpianatra iray namoy ny ainy
Voadonan’ny posy, nianjera teo ambonin’ny bisikleta nentiny ka notsenain’ny kamiao ny tovovavy iray mpianatra eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy, ny alatsinainy 24 aogositra teo. Nirava avy nianatra, hamonjy fodiana, ity vehivavy taona fahatelo manaraka ny sampam-piofanana lalàna eo anivon’ny anjerimanontolo ity. Nifandona tampoka tamin’ny posy izy ka nianjera teo amin’ny arabe. […]
Antohomadinika : Raim-pianakaviana iray maty voatsindrona antsy
Notafihin’ny jiolahy misaron-tava ny tokantrano iray etsy amin’ny fokontany Lalamby, Antohomadinika, ny alin’ ny alatsinainy, tokony ho tamin’ny 9 ora. Maty voatsindron’antsy teo amin’ny tendany ny raim-pianakaviana iray 41 taona, tompon-trano. Nitondra antsy iray sy basy kilalao nahitana vovoka sakay ilay olon-dratsy tamin’ny fotoana nanaovany ny asa ratsiny. Efa niomana […]
Graines d’Avenir de Nosy Be: Nahazo boky an-jatony ny EPP Madirokely
Himasoana ny fampitiavana ny vakiboky ho an’ireo zaza any Nosy Be. Nampiana ireo boky fianarana sy fialana voly ao amin’ny EPP Madirokely, izay miandraikitra ny fanabeazana ankizy maro. Tsy vao voalohany. Mitohy hatrany ny fanohanana ny ankizy mpianatra ataon’ny fikambanana Graines d’avenir de Nosy Be, amin’ny alalan’ny filohany, Amida Sanna. […]





