Hotanterahina any amin’ny ligin’i Amoron’i Mania ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny sokajy zandriny, U16 lahy sy vavy, taranja basikety. Mialoha izany, hisy ny fivoriana teknika hatao rahampitso, ho an’ireo ekipa rehetra handray anjara. Nitohy omaly, tao Rognac, ny dingana fahenina amin’ny fiadiana ny «Masters 2026”, taranja tsipy […]
Auteur/autrice : Adnews
ekipam-pirenen’ ny Taranja volley-ball : Notoloran’ny minisitra 2 tapitrisa Ariary
Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ireo atleta malagasy niaro ny voninahi-pirenena nandritra ny « Championnat des Nations U18 », sokajy lahy sy vavy. Lalao natao teto Antananarivo, ny 4-12 aogositra lasa teo. Ho fankasitrahana azy ireo, notoloran’ny minisitra lelavola […]
Fifa U15 World Cup : Handray anjara ny Barea
Hotanterahina any Azerbaidjan, ny 22 hatramin’ny 31 oktobra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra, sokajy U15 (Fifa U15 World Cup). Anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Bareakely ary efa ao anatin’ny fanomanana izany ny teknisianina eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny fantatra, […]
Kianja Barea Mahamasina : Orinasa vahiny no hiandraikitra ny fanamboarana ny bozaka
Ho fantatra ny faran’ity volana ity ny orinasa hanamboatra ny bozaky ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré fa orinasa avy any ivelany no hiandraikitra izany. “Kianja an-dalam-panamboarana…?” Nilaza ny minisitry ny Tanora, omaly, tetsy Mahamasina, fa efa mamaramparana ny resaka tolobidy […]
FANTINA sy FINTINA
Handray ny fitantanana ny SADC, manomboka izao, i Zambia, taorian’ny nisahanan’i Afrika Atsimo izany, nanomboka ny novambra 2025. Tsiahivina fa ny filoha afrikanina Tatsimo, Cyril Ramaphosa, no nitantana vonjimaika ity vondrona ity amin’izao fihaonana an-tampony faha-46 izao, noho ny toe-draharaham-pirenena teto amintsika. Azo atao ny manome fahefana ny eny ifotony […]





