Auteur/autrice : Adnews

Famonoana an’i Tahiry sy Tiavina : Hasarotam-piaro, olona enina nalefa eny am-ponja

Olona miisa fito no voarohirohy tamin’ny famonoana an’ireo roa lahy (Tahiry sy Tiavina) hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa Tanjombato, ny 15 sy 16 septambra lasa teo. Niakatra fampanoavana tetsy amin’ny fitsarana Anosy, omaly, ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjy maika izy rehetra ireo, taorian’izay. Nalefa eny amin’ny fonjaben’ Antanimora ny […]

Tsatoka antsy tetsy Alasora: Voasambotra ilay nahavanon-doza

Nialana nenina teny anivon’ny hopitaly, tsy tana ny ain’ny lehilahy iray voatsatoka antsy teny By-Pass, Alasora, ny alin’ny alatsinainy 21 septambra tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Nitrangana savorovoro teo amin’ny andiana tanora niaraka nisotrosotro tao amin’ny toeram-panadiovana fiara teny an-toerana. Nampiasa zava-maranitra anefa ny iray tamin’ireo nifampikasi-tanana. Namoaka antsy […]

Nilaza fa nipetrahan-javatra: Vehivavy notsatohan-janany antsy

Nivoa-dra! Notsatotsatohan’ny zanany vavy antsy intelo ny renim-pianakaviana iray tamin’ny fiandohan’ny herinandro, tao Toamasina. Nilaza ho nipetrahan-javatra hafahafa, naniraka azy hamono ny reniny, ilay nahavanon-doza. Naratra mafy vokatry ny tsindron’antsy miisa telo natao azy ny re­nim-pianakaviana iray monina ao Analankininina, Toama­siana, tamin’ny alatsinainy maraina. Tompon’antoka ny zanany vavy vao 15 […]

Tsipy kanetibe – UBMT  : Klioba zandriny indrindra nefa misongadina

Anisan’ireo klioba Tsipy kanetibe zandriny indrindra ny UBMT (Union des boulistes manjaka tokana Ambohitri­manjaka) izay niorina ny volana marsa 2026. Klioba tarihin-dRatsimbaharison Luc sy i Rijavola ary Randrianaivo Eric. Efa manana ny toerany, na eto Madagasikara na any ivelany, ny klioba. Manana fijery vaovao amin’ny fomba fitantanana sy ny hoavin’ny […]