Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Mbola mitohy hatrany ny fanomanana ho an’ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy. Raha tsy misy ny fiovana, hanatanteraka lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipan’ny Artis FC, etsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, izy ireo, anio, amin’ny 10 ora maraina. Marihina fa hiatrika ny dingana faharoa, fifanintsanana afrikanina, « Ligue des champions Caf », izay hihaonana amin’ny Young […]

Handball – « Can Cadet» : Faha-13 ny Akio Madagasikara

Nifarana omaly, tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny andiany faha-22 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy «cadet 2026». Farany vao nisy ventiny ny an’ny Akio. Izay vao nahazo fandresena raha niady ny laharana faha-13. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 37 no ho 24, ry zareo Zambianina. Fihaonana notanterahina ny […]

Baolina kitra – Fifanintsanana Can 2027 : Hivantana amin’ny Canal Plus ny lalaon’ny Barea

Hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra, indrindra fa ny Barea Madagasikara, ny Federasiona malagasy (FMF) sy ny Canal plus Madagasikara. Handefa mivantana ny lalaon’ny Barea sy i Nigeria ny fantsona Canal plus Sport 1, ny zoma ho avy izao. Manomboka izao, miara-miasa ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy […]

Vovonana Tantana : Tafajoro ny rafitra eto Antananarivo

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Vovonana Tantana-Faritany Antananarivo sy ny faritra Analamanga. Notonto­saina tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra ny lanonana nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny taratasy manendry an-dRamatoa Ra­harivololoniaina Ninah ho mpandrindram-paritra Anala­manga sy Ramatoa Randria­narisoa Riana Raymonde ho ambasadaoro eto amin’ny faritany Antananarivo. Misokatra ho […]

EPP IIIG Hangar : Ankizy tsy manan-kialofana niditra nianatra

Ankizy 21, zanak’ireo fianakaviana sahirana tsy manan-kialofana, monina ao amin’ny Madcap sy Seba, no nampidirina an-tsekoly, omaly. Nam­pidirina ao amin’ny EPP IIIG Hangar Antohomadinika izy ireo mba hahafahany manohy ny fianarany ao anatin’ny tontolo mendrika. Mpatory an-dalana izy ireo taloha no nafindra sy nomena fiahiana ao amin’ny Seba sy Madcap […]