Raha efa voalahatra fa hotanterahina ny alahady 16 aogositra ho avy izao, ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 12, voatery nahemotra izany. Tsy avy amin’ny Malagasy rugby fa noho ny fangatahan’ny orinasa Star, mpanohana ny fifaninanana. Araka ny fikaroham-baovao natao, mbola maro ny zavatra sahanin’izy […]
Auteur/autrice : Adnews
Baolina kitra – Trosa tsy voaloa : “120 000 dolara ny karamako tsy voaefa”, hoy ny Coach Rôro
Mbola mitohy mihenjana hatrany ny tady eo amin’ny Federasionina malagasin’ ny baolina kitra (FMF) sy ny Coach Rakotondrabe Romuald (Rôro), eo amin’ny resaka karama tsy voaloa. Nohamafisin’ity mpanazatra malagasy ity fa mbola misy 120 000 dôlara, ny ambim-bolany tsy voaefa. Na efa namaly mahakasika ny fandoavana ny karaman’ny Coach Rakotondrabe Romuald […]
Volana aogositra : Be fiara mivezivezy ny RN7, RN4, RN2…
Ambony ny tahan’ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara manerana ny Nosy rehefa volana aogositra. Satria, fotoam-pialantsasatra sy fanaovana hetsika toy ny zaikabe, filasiana, hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena maro raha ny tombana nataon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT). Manodidina ny 340 ireo fiara mpitatitra mitondra mpandeha maherin’ny 6 460 isa miainga […]
INDRAY MIJERY
Mampahatsiahy ny didy navoakan’ny prefektoran’ny tanàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny amin’ny tokony hikatonan’ireo toeram-pisotroana rehetra amin’ny 9 ora alina. Voakasik’izany avokoa na ireo anaty trano na ireo eny amoron-dalana. Ho fitandroana ny fandriampahalemana sy ho fitonian’ny manodidina izany. Manatanteraka iray volana ho an’ny fandoavan-ketra ny CUA. Manentana ireo mponina […]
Belalanda-Toliara II : Tokantrano 24 000 hisitraka sakafo
Nanolotra vary 300t, tsaramaso 25t ary menaka 11 000 l ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany, omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC Andrainarivo. Isam-bolana ny mpikambana ao amin’ny fiangonana dia manokana andro iray hifadian-kanina, ny vola tokony nividianana sakafo no arotsaka amin’ny kitapom-bola iraisana ahazoana manao hetsika fanampiana […]





