Auteur/autrice : Adnews

Rejisitra sosialy tokana : Tokantrano 7 785 000 no hatao firaketana

Nosantarina omaly, tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny fanamarihana ny Iray volan’ny fiahiana sosialy izay nifanindran-dalana amin’ny Andron’ ny fianakaviana. Niarahana tamin’ny minisiteran’ny Mpo­nina sy ny firaisankina, notarihin’ny minisitra, Rakotoniaina Voanginirina Cathia, izany. Rejisitra sosialy tokana (RSU) no lohahevitra voizina. Mbola maro ireo fianakaviana miady mafy amin’ny fiainana. Fitaovana stratejika amin’ny […]

Fanadihadiana – vaksiny: Nisongadina ny mpanao gazety efatra

Notanterahina, omaly, teny amin’ny Havoria Anosy, ny fanomezana loka ny mpifaninana nisongadina tamin’ny fifaninanana famokarana fandaharana sy fanadihadiana momba ny fanaovam-baksiny. Nokarakarain’ny Unicef sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izy io. 48 ny sanganasa voarain’ny mpikarakara avy amin’ny orinasan-tserasera manerana ny Nosy. Fepetra nitsarana ny […]

35 taonan’ny MNP : Hisongadina ny fanatsarana ny fitantanana ireo valanjavaboahary

Marolafy ny vina entina hanamarihina ny faha-35 taonan’ny Madagascar National Parks. Hampitomboina ny ezaka fanatsarana ny fitantanana ireo valanjavaboahary. Hirosoana koa ny fitantanana niomerika… “Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-35 taonan’ny Madagascar National Parks (MNP), maro ireo hetsika sy vina hanasongadinana ity tsingerin-taona ity”, hoy ny fanazavana nen­tin’ny tale jeneraly, Rako­toa­risoa […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitohy ny fanamboarana ny lalana tena ratsy eo Andranofasika, RN4, hatrany Ambatoboeny (RN33b). Mirefy 20 km ity lalana harenina ity. Toraka izany koa ny amin’ny RN4, eo Ambondromamy hatrany Andranolava. Vola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR) no hanatanterahana ireo asa ireo. Hanamora ny fivezivezen’ny mponina sy ny vokatra […]

Orange Madagascar: Fitetezam-paritra hanakaikezana ny mpanjifa

Zava-dehibe ho an’ny Orange Madagascar ny ma­na­mafy ny fifandraisany amin’ ny mpanjifa. Paikady nanatanterahiny izany ny fitetezam-paritra “Roadshow”, hetsika notarihin’ny Tale jeneralin’ny orinasa, Aminata Ndiaye, tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy, tao Nosy Be sy Antsi­ranana, ny alahady teo. Nisy ny fifanakalozan-kevitra mi­vantana sy malalaka niarahana tamin’ireo mpanjifa sy orinasa […]