« Sahirana ny fianakaviana malagasy manana zanaka autiste satria tsy misy ivontoerana manao fitsirihana manokana izany toetena izany eto Madagasikara, tsy voaofana koa ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanabe. Manampy trotraka ny faharefoana ara-bola satria marolafy ny fandraisana an-tanana tsy maintsy arahana”, hoy ny manampahaizana manokana momba ny fahasembanana sy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Mahajanga: Niavaka ny fetin’ny Aïd al-Adha
Tomefy olona teo amin’ny Village Touristique Mahajanga, omaly maraina, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny sorona na Aïd al-Adha na koa Idy Be, niarahan’ireo mpino silamo rehetra any an-toerana. Ho an’ireo olona manaraka ny foto-pinoana silamo, ny Aïd al-Adha dia fety iarahan’ny mpino silamo maneran-tany ho fahatsiarovana ny nanaovan’i Abraham sorona […]
Herinandro ho an’ny fahasalamam-bahoaka : Ampiarahana ny fanaovam-baksiny sy ny fora zaza
Tohizana ny ezaka rehetra vita amin’ny fanaovam-baksiny tsy hampidina ny tahan’ny zaza voaaro amin’ny aretina. 91 ny distrika voakasika fa ny 56 amin’ireo no tena laharam-pahamehana. Natomboka omaly, teny amin’ny CSB II Anosizato Andrefana, ny Herinandro ho an’ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny sy ny hetsika “fora zaza faobe” miaraka amin’ny minisiteran’ny […]
Mampihena ny entona mpangeja hafanana: Mamokatra arina maitso ny fatana GMDR
Zava-dehibe tao anatin’ny fandaharanasa ny fampiroboroboana ny Transfert de gestion ahafahan’ny Vondron’ olona eny ifotony mitantana ny ala eo aminy sy mametraka rafitra fitantanana hanatsarana ny ala, tsy hamotika ny atiala. Voaaro vokatr’izany ny velarana 14 400 ha miaraka amin’ny Vondron’olona ifotony (VOI). Ankoatra izay, misahana ny fampitaovana ireo mpiantsehatra na […]
Fandaharanasa Afafi-Nord AF: Nitondra tombontsoa ho an’ny olona 6 700, anatin’ny distrikan’Ambilobe
Anisan’ny fandaharanasan’ny Vondrona eoropeanina notontosaina teto amintsika ny Afafi -Nord AF nampiharina tany amin’ny distrikan’Ambilobe nandritra ny enin-taona. Maro ny vondron’olona ifotony nisitraka tombontsoa mivantana Ny Afafi Nord, amin’ny ankapobeny, dia fandaharanasan’ny Vondrona eoropeanina vatsina amin’ ny alalan’ny 11ème Fed. Ny GIZ no nanatanteraka ny tetikasa, teo anivon’ny Page 2. […]