Aman-jatony maro raha ny sanganasan’i Bessa. Am-polony maro koa no natokany ho fampiaraham-peon’izy mivady, Bessa sy Lôla. Notsongaina tamin’ireo ny hira nalahatr’i Rija Ramanantoanina sy i Farakely, nandritra ny fampisehoana notontosainy omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Hira tsy afaka ambavan’ny maro ary mbola voaporofo izany nandritra ny ora telo mahery […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Hikarakara ny fankalazana miavaka ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana, ny 05 sy 06 jona 2026, eny amin’ny Parvis Analakely, ny CUA sy ireo minisitera tompon’andraikitra. Hetsika hampifanakaiky ny fikarohana siantifika sy ny vahoaka. Hanentanana ihany koa ny tanora, indrindra ny mpianatra eny amin’ny oniversite, izany. Ho fanatsarana ny […]
Famoahana kopia : Mampitarazoka ny asa ny fahanteran’ny fitaovana
Ny fitaovana efa tonta sy tsy mahazaka ny filàna intsony no mahatonga ny fahatarana amin’ny famoahana kopia amin’izao fotoana. Io ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra manoloana ny fitarazohan’ny asa famoahana kopia nahaterahana eny amin’ny boriborintany. Efa tranainy ny ordinatera sy ny kojakoja miaraka aminy, toy ny serveur, […]
Mananjary : Tranga voajanahary ny fiakaran’ny ranomasina
Nanaitra ny mponin’i Mananjary ny fiakaran’ny ranomasina tampoka tsy nisy fampitandremana voaray ny maraimbe, ny sabotsy teo. Nitondra fanazavana ny sampandraharaham-paritry ny toetry ny andro ao Vatovavy mahakasika io fiakaran’ny ranomasina tany an-toerana io. “Nifanojo tamin’ny fisian’ny alondrano antonony avy any atsimo ny fotoan’ny fiakaran’ny ranomasina tamin’io sabotsy maraina io, […]
CSB sakaizan’ny tanora : Fahitalavitra 200 hanatsarana ny fahasalamana ara-pananahana
Vatsiana ara-pitaovana ny tobim-pahasalamana sakaizan’ny tanora. Hanampy amin’ny fanazavana momba ny fahasalamana ara-pananahana ireo fahitalavitra 200 haparitaka manerana ny Nosy ireo. Fahitalavitra miisa 200 sy kojakoja miaraka aminy, toy ny kits solaires (panneaux solaires, convertisseur, batteries, régulateur de charge, fil 25m, stabilisateur) sy “flash disque” misy horonantsary fanentanana maro samihafa. […]




