Nahemotra amin’ny 27 oktobra 2026 ho avy izao indray ny fotoam-pitsarana mahakasika ny raharaha “Boeing 777”, raha ny fanazavana nataon’ny filohan’ny mpitsara. Raha tokony ho natao omaly, tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) 67 Ha izany. Antony ny tsy fahatongavan’ny avy amin’ny ACM, izay mpitory, nanatrika ny fotoana. Ankoatra […]
Auteur/autrice : Adnews
Toamasina : Gadra nandositra nitana voamaso
Nahatraran’ny mpitandro filaminana voamaso izay nanaovany ody masobe tsy mahita ny gadra iray nandositra tao amin’ny fonja Ambalatavoahangy, kaominina Toamasina, ny 16 septambra lasa teo. Anisan’ireo telo lahy nandositra ny fonja ity gadra ity, izay voasazy an-terivozona mandra-pahafaty. Nanararaotra ny fisian’ny totohatra nampiasain’ny mpiasa nanao fanavaozana tao anatin’ny fonja ireo […]
Maty daroky ny ray aman-dreniny: Nalevina antsokosoko i Finaritrasoa Valimbavaka
Maty noho ny kapoka sy fampijaliana nataon’ny ray aman-dreniny i Finaritrasoa Valimbavaka, vao enin-taona, monina eny Ambohijafy, Fenoarivo. Nalevina antsokosoko ny razana. Taorian’ny fanadihadiana, olona telo no voarohirohy. Tsy arakaraka ny anarany, Finaritrasoa Valimbavaka, fa niaina fijaliana mandra-pahafatiny ilay zazalahy vao enin-taona! Namoy ny ainy noho ny vono sy kapoka […]
« Ventson’ny Be Art » : Mifandrary ny kanton’i KaMi sy Zongo Bilaky
Manome sehatra hisongadinan’ny fahasamihafan’ny fomba fanehoan’ny mpanakanto ny sanganasany ny Tokotany Be Malagasy. Anisany ny fampirantiana mandeha ao, amin’izao fotoana. Mpanakanto marolafy roa, samy manana ny aingam-panahiny, samy manana ny fironany eo amin’ny famoahana izany ho zavakanto ihany koa. Ny itovian’i KaMi sy i Zongo Blaky dia izay fitiavana mizara […]
Toamasina : Niofana ireo mpitsabo eny amin’ny hopitaly
57 ireo mpianatra ho mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana avy amin’ny hopitalin’i Toamasina manaraka fiofanana maimaimpoana momba ny vonjy voina. Ny tomponandraikitra misahana ny fahasalamana avy amin’ny masoivoho amerikanina sady mpampiofana ny Croix Rouge amerikanina no nanatanteraka izany. Sady mianatra ny teknika, mampiasa “défibrilateur” ivelan’ny hopitaly no manao fampiharana avy hatrany […]





