Auteur/autrice : Adnews

Lozam-piarakodia : Dorkasy 12 indray naratra mafy

Nitrangana lozam-piarakodia indray tao Alakamisy Ambohi­maha, 21 km miala an’i Fianarantsoa, omaly atoandro. Dorkasy avy amin’ny FJKM avy any Alakamisy Itenina hamonjy fivoriana ao Ambohimasoa ireto tra-doza ireto. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa miisa 31 ireto vehivavy hamonjy fivoriana ireto ka ny 12 amin’izy ireo no tena naratra mafy, […]

Voatifitra tetsy Anosibe : Jiolahy roa saika hanendaka polisy

Nirefodrefotra ny basy teny Anosibe, boriborintany fahefatra, ny afakomaly alina. Maty tsy tra-drano ny olon-dratsy roa lahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Saika hanendaka polisy izy ireo. Lavo nandritra ny hetsika manokana nataon’ny ekipan’ny polisim-pirenena ny jiolahy roa teny Anosibe, afakomaly alina. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny amin’io faritra io […]

Ho an’ny rasazy : Ilaina ny fidirana anaty Holafitra

Manetriketrika ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampivelona na ny rasazy, amin’ity herinandro ity. Marihina any amin’ny faritra Anosy izany. Lohahevitra voizina maneran-tany ny hoe, Mpampivelona iray tapitrisa fanampiny. Mampiharihary ny tsy fahampian’ny rasazy ma­neran-tany izany ka anentanana ny firotsahan’ny tanora hiantsehatra amin’izany asa masina izany. Tany amin’ny faritra […]

INDRAY MIJERY

Handray anjara amin’ny tranoheva sy famelabelaran-kevitra mandritra ny FIM 2026, nanomboka omaly hatramin’ny 10 mey, ao amin’ny CCI Ivato, ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Amin’ny alalan’ny Ivontoerana momba ny Torohay sy fahalalana siantifika ary teknika (CIDST), ny Foibem-pirenena momba ny fikarohana ampiharina amin’ny Fampandrosoana ny eny […]

Dépôt de médicament : Hampitomboina ny traikefa

Haharitra roa herinandro ny fanofanana ireo mpivarotra fanafody na Dépôt de médicament, tanterahin’ny INSPC etsy Mahamasina. Andiany fahafito ny fanofanana, hampitomboana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’izy ireo. Hampanarahana ny toetrandro ny fahalalana manaraka ny fivoaran’ny karazana fanafody amidy sy ny fifehezana ny fitahirizana azy ireny ihany koa. Hanampy ireo mpitantanana […]