Auteur/autrice : Adnews

Polytechnique 50 taona : 300 isan-taona ireo injeniera nivoaka

Nihaona teny By pass ireo fianakaviambe (mpampianatra, mpianatra, mpiara-miombon’antoka…) rehetra eo anivon’ny Polytechnique Vonto­vorona, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hampisehoana ny firaisankina eo amin’izy ireo alohan’ny hankalazana ny faha-50 taonan’ny sekoly, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. « Mahatratra 300 isan-taona ireo injeniera anatin’ny sampam-piofanana 16, mi­voaka eny anivon’ny se­koly hatramin’izay nisiany », […]

Adina ara-panatanjahantena –Bacc : mpiadina fito vavy mitondra vohoka

Fito ny tovovavy mpiadina bevohoka ho an’ny herinandro voalohany, nandritra ny adina ara-panatanjahantena teto Antananarivo, Atsi­mondrano ary Avaradrano. “Misy ireo nilaza mialoha ny toe-batany tamin’ny tomponandraikitra, teo koa no voatily fa mitondra vohoka mialoha ny hiatrehiny ny adina”, hoy ny mpandrindra ankapobeny ny adina ara-panatanjahantena eto Anta­nanarivo, Rahariveloma­monjy Bakoliarisoa, omaly. Telo […]

Farmasianina : 25 ireo nahazo mari-pahaizana

Mpianatra 25 teo ani­von’ny sampam-piofanana Far­ma­sianina, avy amin’ny Anjeri­manontolo Ankatso, nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo. No­tanterahina tetsy amin’ny Carl­ton Anosy ny lanonana. Nitondra ny anarana “Andry Aina”, andiany fahavalo izy ireo. Ankoatra ny lanonana famoahana ireo mpianatra, nankasitrahana manokana ihany koa ireo mpampianatra nandritra izany. Mbola olana eto […]

Vovonan’ny sekoly tsy miankina: “Tsy voaenjika ireo mpanao hadisoana amin’ny fanadinam-panjakana”

Hiroso amin’ny fanadinam-panjakana voalohany, CEPE, ny 20 jona ho avy izao, ho an’ity taom-pianarana ity. Manoloana izany, naneho hevitra momba ny dingana fanomanana fanadinana ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, omaly. Tsy vitan’ny fanjakana samirery ny fanomanana ary rehefa misy ny lesoka hita, ezahina ny […]

Ambatomasina-Maroantsetra : nahazo birao ny sampandraharahan’ny jono

Notokanana ny sabotsy teo ny biraon’ny sampandraharahan’ny jono sy ny toekarena manga ao Ma­roan­tsetra. Tonga nanolotra izany tany an-toerana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry mivady sy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Tsimanaoraty Ma­ha­tante Paubert niaraka tamin’ireo mpikamban’ny governemanta maro. Nato­lotra nandritra izay ihany koa ny sambo haingam-pandeha Argos 710 « Anten­dromaso […]