Naneho ny vina sy ny paikady momba ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana mineraly i Madagasikara, nandritra ny fivoriana momba ireo mineraly tena ilaina amin’ny fiovan’ny angovo fampiasa maneran-tany, tany New York. “Tanjona ny hampitombo ny sandan’ny harena an-kibon’ny tany amin’ny alalan’ny fanodinana azy eto an-toerana”, hoy ny minisitry […]
Auteur/autrice : Adnews
« SIAE 2026 »: Ambohipihaonan’ireo mpisehatra ara-toekarena
Hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 22 novambra, eny amin’ny CCI Ivato, ny Salon international des acteurs économiques (SIAE). Hetsika lehibe natokana hampiroboroboana ny indostria sy ny toekarena eto Madagasikara. Kendrena ny hampivondrona ireo mpisehatra rehetra ho an’ny famokarana, manodina akora, mitondra vahaolana ary mamokatra asa ho an’ny Malagasy. Ambohipihaonan’ireo mpiara-miombon’ […]
Tambajotra RIA-Jirama : Mihena ny haavon’ny riandrano ao Andekaleka sy Mandraka
Tsy ampy ny herinaratra vokarin’ny Jirama eto Antananarivo, vokatry ny fihenan’ny haavon’ny riandrano any amin’ny tohodranon’Andekaleka sy Mandraka. Vahaolana ny hampiasana ny milina mpamokatra mandeha amin’ny solika. Nitondra fanazavana ny talen’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA), Rakotonandraina Solofonantenaina, momba ny tsy fahampian’ny herinaratra amin’izao fotoana izao. Tsara kokoa ny zava-misy, ankehitriny, raha […]
FANTINA sy FINTINA
Loza mitatao raha avela hitohy ny fitsaram-bahoaka, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Mampanjaka ny herisetra, ny valifaty ary ny tahotra izany. « Mila fanavaozana ny rafi-pitsarana hiverenan’ny fitokisan’ny olona. Tokony hanomboka amin’ny fanadihadiana izany ka hatramin’ny famoahana didy », hoy izy. Hiara-kiasa hiady amin’ny kolikoly ny Bianco sy […]
Fifidianana filoham-pirenena : Nametraka fepetra ny ONU sy ny UA
Noraisin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, tetsy Antaninarenina, afakomaly, ny iraka avy amin’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), tarihin’i Idris Farah, sy ny solontenan’ny Firenena mikambana (ONU), Parfait Onanga-Anyanga. Nambaran’ireto delegasionina fa hijery sy hanara-maso ny fandrosoan’ny dingan’ny Fanavaozana izy ireo, ahafahan’ny ONU sy ny UA manohana an’i […]





