Zava-dehibe amin’ny fiainan’ny zatovovavy sy ny vehivavy ny fidiovana sy ny fahasalamana mandritra ny fadimbolana ary nanokanana andro iray ho fanamarihana izany isaky ny 28 mey. 12 ka hatramin’ny 16 taona no miatrika ny fadimbolana voalohany ny zatovovavy ary miverina isam-bolana izany mandrapahatongan’ny 50 taona na mihoatra. Mety kokoa ho […]
Auteur/autrice : Adnews
Zokiolona : mila fantarina ny toetrany
Maro ny zokiolona tsy matory rehefa alina fa ny atoandro izy no manao izany. Ny ankamaroan’ny zokiolona ihany koa very tadidy na efa tsy mahafantatra akory ny zavatra ataony matetika, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fikambanana mikarakara zokiolona eto Madagasikara. Rehefa mifoha izy amin’ny alina, mety manao zavatra izay sendra […]
Fampianarana : ankizy maro no misitraka vatsim-pianarana avy amin’Ambatovy
Vokatry ny fanohanana manokana ataon’ny orinasa Ambatovy amin’ireo ankizy amina kaominina maromaro manodidina azy, mianatra sy mahavita ny ambaratonga faharoa ny ankamaroan’ny mpianatra. Nampahatsiahy ny tohana ara-panabeazana ireo ankizy mianatra manodidina ny orinasa hiasany ny ao Ambatovy. Anisan’ izany ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika izay natao hitsinjovana sy hampirisihana […]
Filoha Rajoelina Andry : “Zava-dehibe ny fifidianana solombavambahoaka”
“Ny zavatra azo ambara: isaky ny fotoam-pifidianana dia adidin’ny olom-pirenena tsirairay ny mandray anjara, misafidy izay olona safidiny, indrindra fifidianana solombavambahoaka no resahina”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, taorian’ny nanatanterahany ny fandatsaham-bato teny amin’ny Lycée agricole Ambatobe, omaly. Solombavambahoaka izay mitondra ny tenin’ny vahoaka, mijery izay mangirifiry ny vahoaka […]
Praiminisitra Ntsay Christian : “Avelao hanao ny asany ny Ceni sy ny HCC”
“Ny fisian’ny fitarainana tsy midika hoe tsy manara-dalàna ny zava-misy. Avelao hanao ny asany ny Ceni sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Zon’ny mpifaninana amin’ny fifidianana sy ny olom-pirenena ny manao fitarainana araka ny tokony ho izy”, hoy ny Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta, i Ntsay Christian, taorian’ny fandatsaham-batony […]





