Auteur/autrice : Adnews

Madagasikara : nitombo 65% ny mpizahatany

Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Nahatratra 65% ny taham-piakaran’ny fahatongavan’ny mpizahatany ny taona 2023. “Efa manakaiky ny tamin’ny taona 2019, mialoha ny covid-19 ny antontanisa, noho ny ezaka na­taon’ireo mpisehatra sy ny mpandraharaha samihafa ao anatin’ny tontolon’ny fizahantany”, hoy ny fanazavan’ny tale mpanatanteraka ny Confédération du tourisme […]

Hampiasaina ny niomerika : ho vita ao anatin’ny adiny 3 ny fikarakaran’ny ladoany

Hitondra fiovana goavana ny eny amin’ny sampandraharahan’ny haban-tseranana, mahakasika ny fanafarana na fanondranana entana any ivelany. Nitondra fanazavana ny tale jeneraly (DGD), Lainkana Zafivanona, omaly, fa miisa 31 ny tetikasa entina hanavaozana ny fitantanana ao amin’ny ladoany, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF) maro iraisam-pirenena, maherin’ny 20, efa nanomboka […]

75 taona niorenana : nahazo ny mari-pahalalana ISO 9001 ny tranopirinty Niag

Tsy mitsahatra mivoatra ny orinasa tranopirinty Niag. Dingana vaovao hiatrehany ny hoavy ny nahazoana ny mari-pamantarana ISO 9001-2015, mifanandrify amin’ny faha-75 taona niorenany. Anisan’ny sangany eto Madagasikara ny orinasa Tranopirinty vaovao sy ny sehatry ny grafika (Niag). Nanangana azy ny taona 1949, Andriantsitohaina Charles. Tsy nitsahatra nivoatra ity orinasa malagasy […]

FANTINA sy FINTINA

Hotanterahina ny 26 janoary izao, eny amin’ny Tanamasoandro Imerintsiatosika, ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo. Entanina ny rehetra hamerina ny ala any amin’ny faritra misy azy avy. “Fambolen-kazo: Manarina tontolo, manatsara famokarana, mamela lova ho an’ny taranaka” no lohahevitra amin’izany. Nitsidika ny tranoben’ny ORTM sy nihaona tamin’ireo mpiasa ny minisitry ny Serasera […]

Rabary Paul : “Mitondra vahaolana haingana ny sekretariam-panjakana”

“Tena vahaolana ny hi­sian’ny sekretariam-panjakana, fa mavesatra ny minisitera samihafa : misy fitaovam-pitantanana mila ahodina, mpiasam-panjakana mila ofanina sy ampirisihina izay mi­sandrahaka manerana ny Nosy…”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, momba ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika amin’izao. Indraindray apetraka ny fanamby sy ny baiko ary […]