Mandeha ny fanatanterahana ny fametrahana Toby famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, parc solaire, (PS), miisa 46. Anisan’ny hisitraka izany ny any Manakambahiny Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro. Nidina ifotony nijery ny toerana hananganana ny fotodrafitrasa ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), niaraka tamin’ny teknisian’ny Jirama, omaly 9 janoary. […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsy ho lohany avy any afara!
Mitaintaina toa sahobakaka am-bodiriana ireo kandidà ho minisitra. Anio no hanatitra ny lisitra misy izay voafantiny any amin’ny Filoham-pirenena ny Praiminisitra. Mazava ny fanambarana fa ny faran’ny herinandro dia efa hanana governemanta feno ny vahoaka malagasy. Feno ny ekipa manomboka any amin’ny mpanazatra, ny kapiteny, ny mpilalao rehetra manomboka amin’ny […]
Vary simba any Toamasina : 35 kitapo saika haondrana any Taolagnaro
Mitohy ny fahatraran’ny zandary ny fikasana hanapariahana vary simba sy lo eto Toamasina. Sarona tao anatin’ny sambo iray « M/S Baleine », ny alin’ny talata 9 janoary teo koa ny vary milanja 30 taonina. Nahazo loharanom-baovao hafa koa ny zandarimaria eto Toamasina. Nisy sambo iray, «M/S Baleine», ao amin’ny seranan-tsambo mitondra vary […]
TSELATRA
Vehivavy hita faty tao anaty lavadrano tao Ambohijanadralambo, kaominin’i Morarano, distrikan’Arivonimamo, afakomaly. Nifono tao anaty gony ity ramatoa ity ary ahin’ireo nanatri-maso ho niharan’ny fanolanana. Efa potika tanteraka ny endriny. Manao fanadihadiana ny zandary ao an-toerana. Mpanolana iray matin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambalamahogo Andraijoro, kaominin’i Bekoratsaka, distrikan’i Mampikony, ny alahady 7 […]
Fotobohitra – Mananjary : Kamiaobe roa an’ny BNGRC nivadika
Nitrangana lozam-piarakodia niteraka fahasimban-javatra tao Fotobohitra, distrikan’i Mananjary, afakomaly alina. Kamiaobe roa an’ny BNGRC (Birao manokana miandraikitra sy misahana ny loza voajanahary) samy mitondra fanampiana (vary, menaka, voamaina) no tra-doza tampoka teo amin’io toerana io. Nifanarakaraka ireo kamiaobe roa ireo kanjo lany rivotra ilay fiara tao aoriana, araka ny voalazan’ny […]





