Nanao fanentanana, omaly, ny talem-paritry ny Fahasalamana ao Boeny, Hoasy Solange, sy ny governoran’ny faritra, Mokhtar Salim, mahakasika ny fihanaky ny areti-maso ao Mahajanga. Nentanina, araka izany, ny ray aman-drenin’ny mpianatra mba tsy handefa ny zanany any an-tsekoly raha tsy efa tena sitrana mba tsy hamindra amin’ny ankizy hafa. Toraka […]
Auteur/autrice : Adnews
Apipa : mitohy ny fanadiovana lakandrano
Nitondra fanazavana ny talen’ny Apipa momba ny fanadiovana ny lakandrano amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao. Nirotsahana avy hatrany ny eny amin’ny fokontany IIIG Hangar, eny amin’ny charbon Ramanandraibe sy i Sainte Marie kely, izay tena nahitana fakobe niteraka fitohanana. Natao ihany koa ny eny amin’ny Dallot ambanin’ny RN58a. toraka izany, ny […]
Volana janoary: miseho amin’ny endriny maro ny famarinan’olona
Iray volana iadiana amin’ny famarinan’olona ny volana janoary. Miseho amin’ny endrika maro izany. Mitaky ezaka amin’ny ankolafin-kery samihafa ny tolona. Endrika famarinana olona ny fanandevozana an-trano izay mihatra amin’ny mpiasa an-trano tsy afaka miala amin’ny asany, iharan’ny fanararaotana ary zara raha mandray karama na tsy mandray mihitsy aza. Eto Madagasikara, […]
FAPBM: hanohana ny tsy miankina ny tetikasa Bridge
Misitraka tohana ara-bola avy amin’ny tetikasa Bridge, ny Fikambanana ho an’ny faritra arovana sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara (FAPBM). Tetikasa iombonan’ny Fikambanan’ny tahirimbola afrikanina ho an’ny tontolo iainana (CAFE) sy ny tambajotra tahirimbola latina-Amerikianina sy karaibiana (RedLac). Tanjona ny hametrahana fiaraha-miasa stratejika eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny […]
Marovoay: Kojakojam-pamokarana ho an’ny tantsaha
Mitohy hatrany ny fanohanana mivantana ny tantsaha mpamboly, hampitomboana ny vokatra sady hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nozaraina ny 6 janoary teo ny kojakojam- pamokarana ho an’ny tantsaha ao amin’ny kaominina an-tanàn-dehibe Marovoay, faritra Boeny. Miisa 234 ny mpamokatra nisitraka izany, nahazo masomboly vary an-drano milanja 3 510 kilao, zezika NPK […]





