Fanomezam-boninahitra an’i Ndrematoa no hanokafan’ny IFM Analakely ny andiana hetsika ao aminy amin’ity taona ity. Fampirantiana ny sanganasan’ity mpanao tantara an-tsary sy sariitatra vao nodimandry volana vitsy ity no hatao manomboka anio hatramin’ny faran’ny volana janoary. Niasa aman-taonany tao amin’ny IFM ny tenany, ka misy mifamatotra amin’ny toerana ireo sanganasany […]
Auteur/autrice : Adnews
« Prix Paritana » : Miditra amin’ny andiany fahavalo ny fifaninanana
Nisokatra omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 25 febroary 2024 ny fandraisan’anjara amin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany faha-8. Ny Fondation H, miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy no mikarakara ny hetsika. Fifaninanana natao ho an’ny Malagasy mpahay kanto sy monina eto Madagasikara ny hetsika. Tanjona ny hanomezana tosika sy fampivelarana azy […]
Meteza ahitsy e !
Tsy ao anatin’ny midim-bolana be no hipoiran’ny taona vaovao. Isaky ny 1 janoary, mankalaza sy manome haja ny andriamaniny ny Grika. Nalain’ny Romana tahaka izany ka izao arahina ao anatin’ny fanisana andro gregorianina izao. Tantara fohy nahatonga an-dRamalagasy hifampiarahaba fa tratry ny taona vaovao io. Noho ny tsy fahampian’ny […]
Nodimandry teo amin’ny faha-60 taonany…: anisan’ireo andrin’ny tantara an-tsary sy sariitatra R. Alban
« Vato ambany riana » ny tantara an-tsary tena nahafantarana azy. Marobe anefa no nisy ny dian-tanan-dRamiandrisoa Ratsivalaka Alban, ka manome voninahitra azy, noho izao fodiamandriny izao, avokoa ireo mpisehatra eo amin’ny haisary. Toy ny vara-datsaka ny vaovao, ny alin’ny alahady teo. Nodimandry Ramiandrisoa Ratsivalaka Alban na Ramose Alban na ihany koa […]
Fahasimban’ny atin’ny ranomasina : Potika ny tontolo iainan’ny mpanjono any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo
Efa mihasimba tanteraka ny tontolo iainana sy ny karazan-javamananaina eto ambonin’ny tany ankehitriny. Vokatry ny tsindry ataon’ ny olombelona avokoa ny anton’ izany. Anisan’ny misedra olana noho ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny mpanjono sy ny mpampiasa ranomasina. Miaina eto ambonin’ny tany avokoa ny karazan-javamananaina rehetra, raha ny tontolo iainana no […]





