Auteur/autrice : Adnews

Atletisma – «Cross country»: hisy fifaninanana hifantenana izay ho any Croatie

Hiditra an-tsehatra ireo kalazalahy manerana an’i Madagasikara, amin’ny taranja «cross country», ny faran’ny herinandro ho avy izao. Hiady ny tapakila hiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Croatie. Araka ny fantatra, hotanterahina amin’ny sabotsy 13 janoary ho avy izao, eny amin’ny Bout de Piste Ivato, ny hazakazaka «Cross country», karakarain’ny […]

Sombim-baovao

Romain Métanire, Malagasy vodilaharana, niverina manoman-tena ao amin’ny Seriousballer any Etats-Unis, rehefa niala tao amin’ny RFC Seraing, ny herinandro lasa teo. Tsy manana klioba, araka izany, i Métanire. Marihina fa ity Malagasy mpilalao ity, anisan’ireo manana ny lanjany amin’ny toeran’ny vodilaharana ankavanana. Razafindrasata Tsito, Malagasy mpilalao baolina kitra, hilalao ao […]

« Afrobasket 2025 »: nanomboka omaly ny fampivondronana ny Ankoay

Hotanterahina eto Mada­gasikara, manomboka ny 15 hatramin’ny 19 janoary ho avy izao, ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”. Raha ny vaovao voaray tamin’ny Federasiona malagasin’ny Basikety (FMBB), efa natomboka, omaly, ny fampivondronana ireo mpilalao miisa 14 mirahalahy mandrafitra ny elipa-pirenena malagasy. Raha ny fantatra, hivoaka tsy ho ela […]

Grand Tournoi d’Antananarivo : Tafakatra hilalao famaranana ny US Pro sy ny Disciples FC

Fantatra omaly, ireo ekipa roa hilalao ny famaranan’ny “Grand Tournoi d’Antananarivo”. Nandrombaka ny fandresena ny US Pro Analamanga sy ny Disciples FC. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus by pass, ny lalao manasa-dalana ho an’ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Tafita hiatrika ny famaranana, ny ekipan’ny […]

TARATRY ny KANTO

“Live Stream” miaraka amin’i Andri Toubi Ben. Antsan-kira fiderana ampitain-davitra no hatolotr’ity mpanakanto ity, ny zoma 12 janoary, manomboka amin’ny 8 ora alina. Azo arahina mivantana amin’ny pejy Facebook sy ny canal Youtube-n’ny Radio Oasis izany. Natao mba hahafahan’ny rehetra maneran-tany manaraka ny seho . Nizara ny fahitany sy ny […]