Fanamby apetraky ny fanjakana ny fampiroboroboana ny famokarana anatiny sy ny fanampiana ny tantsaha mpiompy. Faritra maro nisitraka fizarana zana-trondro. Mitohy ny hetsika fampiroboroboana ny famokarana anaty rano. Nandrotsahana zana-trondro 12 000 tao amin’ny farihy Andranobe atsinanana, faritra Vakinankaratra ny talata teo. Hetsika natao vokatry ny fiaraha-miasan’ny mpanjono ao amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Manandriana: nahazo milina fanodinana voasary makirana
Ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny famokarana anatiny. Nisitraka ny taninketsa indostrialy, tamin’ny alalan’ny milina fanodinana voasary makirana, ny distrikan’i Manandriana, ny alarobia teo. Mpisitraka voalohany ny tetikasa ny vondron’ny kaoperativa izay ahitana kaoperativa 14. Nanatanteraka ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny milina tao Ambovombe Centre, ny […]
Jery todika 2023: mandeha ny fanamboaran-dalana
Nanana ny toerany tamin’ity taona 2023 ity, ny fanamboaran-dalana. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fahavitan’ny lalam-pirenena RN9, ny RN44, raha mbola mitohy ny asa any amin’ny RN13. Notokanana ny volana aogositra 2023 teo ny lalam-pirenena RN9. Mirefy 165 km ny lalana natao godirao tanteraka, izay nizara roa. Eo Analamisampy hatrany Bevoay, […]
Ao anatin’ny telo andro misesy: misy taratra andro ratsy, ho betsaka ny rotsakorana
Araka ny sary azo avy amin’ny zanabolana omaly. Misy taratra andro ratsy mitoetra ao amin’ny morontsirak’i Mozambika. Niseho nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso faran’ny taona izany.Tombanana hitondra rotsakorana betsaka manodidina ny 60 hatramin’ny 90 mn/ora any amin’ny ilany afovoany Andrefan’ny Nosy izy io. Ahina, araka izany, ny hahabetsahan’ny rotsakorana. Mbola malefaka […]
Ankatso: narenina ny fitaovana famatsian-drano
Olana matetika aroson’ny mpianatra eny amin’ny toeram-ponenan’izy ireo, eny Ankatso, ny tsy fahampian’ny rano ampiasaina. Nametraka fotodrafitrasa ny tomponandraikitra ary nasiana fanarenana ny simba taorian’ny andrana natao. Taorian’ny andrana natao, hita fa efa feno tanteraka ny fepetra ahafahana manome rano madio fisotro ho an’ny mpianatra eny Ankatso I sy ny […]





