Auteur/autrice : Adnews

Mpianatra tsy tafody any Fianarantsoa: nahazo tolotra avy amin’ny  fikambanana Fizafafi tanora

Nanao asa sosialy ho an’ny mpiray Tanindrazana teto an-toerana ny fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa (FIZAFAFI Tanora), omaly. Nisitraka izany ireo mpianatra mianatra eto An-drenivohitra tsy tafody any amin’ny faritany niaviany ka mijanona manao fety eto an-toerana. Tanjon’ny fikambanana ny hampanjaka ny firaisan-kina ao anatin’ny faritanin’ny  Fianarantsoa. “Midika fa manome […]

Manodidina ny andro fety: manjaka ny aretin-kibo sy ny fivalanana indrindra ny ankizy

Nanomboka tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely hatramin’izao. Nahitam-pitomboany ny trangana aretin-kibo sy fivalanana teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Noho ny tsy fitandremana eo amin’ny sakafo no anisan’ny antony mahatonga izany, hoy ny mpitsabo. Niha nirongatra ny aretin-kibo sy ny fivalanana eo amin’ny ankizy sy ny olon-dehibe, indrindra amin’ny fotoanan’ny fety toy izao. […]

Indray mijery

Distrika 83 ahitana tranga betsaka eto Madagasikara, ary olona miisa 15 324 583, no nisitraka fizarana fanafody faobe fanefitry ny « filariose lymphatique » na ongobe. Tafiditra amin’ny fisorohana ara-pahasalamana ny hetsika ary ao anatin’ny paikady manatona vahoaka. Fanafoanana ireo aretina ireo alohan’ny taona 2030 no tanjona amin’ny fizarana fanafody ho an’ny daholobe. […]

CSB U Tsihombe: niakatra ny tahan’ny ankizy vita vaksiny

Midadasika satria 110 ny fokontany sahanin-drasazy Razafy Felicia Dianne Louise, ao amin’ny CSB U Tsihombe. Nanova ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka izy satria nahomby ny paikady fanentanana notarihiny niarahana tamin’ireo mpanentana ara-pahasalamana eny anivon’ny fokontany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fahasalamana amin’ny faritra Androy. Mavitrika, mahatoky ary nanatsara ny andraikitra nosahaniny indrindra […]

Taratry ny kanto

Na somary mbola vitsy aza, manomboka mahafantatra sy manaja ilay fiverenana eny ifotony ny Malagasy. Mipoitra etsy sy eroa ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba amam-panao. Nanjary liana amin’izany resaka izany ny Malagasy. « Tsy antsika io 1 janoary io. Diso io 1 janoary io. Isika manana ny volana marsa… » ! Na izany […]