Maharesy lahatra an’i Mathias Lozano, mpanazatran’ny AC Arles France Regional 1, ny fahaizan-dRazafindranaivo Koloina na Rakool, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, efa nahatafiditra baolina iray Rakool, nandritra ny lalao roa nataony. “Mpilalao manana kalitao hafa sy tsotra i Koloina, anisan’ny tena mampiavaka azy […]
Auteur/autrice : Adnews
Kick – “Mondial 2024” : nofoanana ny fifaninanana saika hatrehan’i Rojo
Voatazon’ny klioba any Chine hiatrika ady matihanina mandritra ny iray taona i Rojo, Malagasy mpikatroka. Ny “Mondial 2024” no fifaninanana voalohany saika hatrehany saingy nofoanana izany. Malagasy mpikatroka, taranja kick-boxing, miatrika ady matihanina any Chine, i Rojo. Tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpikatroka tokony handray anjara amin’ny fiadiana ny ho […]
Rongony 150 kg saron’ny zandary
Nogiazan’ny zandary miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy, ny rongony milanja 150 kg, tao amin’ny fokontany Ambobaka, ny alin’ny 26 desambra teo. Ny marain’ ny alarobia 27 desambra teo tamin’ny 05 ora, andian-jatovolahy nilanja rongony amin’ny gony no nifanehatra tamin’ny zandary. Nandositra avy hatrany ireo lehilahy ireo rehefa nahatazana ny zandary. […]
Tetikasa PSAE : nahazo tosika hamokarana asa ireo fikambanam-behivavy
Natolotra omaly, tetsy Andohatapenaka, ny valin’ny fifaninana ho an’ireo fikambanam-behivavy ao anatin’ny fokontany 10 hiasan’ny tetikasa tohanan’ny Développement et paix Canada, eto an-drenivohitra. Nokarakarain’ny «Programme de solidarité Andohatapenaka et Environnement» (PSAE), eo anivon’ ny CDA izany tetikasa izany. Sivy ireo fikambanam-behivavy nandray anjara. Nahazo ny loka mendrika, manodidina ny 8 […]
INDRAY MIJERY
Manome vahana ny orana saika manerana ny Nosy ny fisian’ny tangoron-drahona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika sy ao Atsimo Atsinanana. Ambany ny herijika hivadihany ho rivodoza, araka ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Hisy fidinany ny maripana ambony ato anatin’ny telo andro ho avy. Ny volana janoary 2024, hisy […]





