Auteur/autrice : Adnews

CHU Morafeno – Toamasina : voafidy ho (mpiasa) mendrika Isofinirina Josette Frida

Voatendry ho «personnel de l’année 2023» ao amin’ny CHU Morafeno-Toamasina, Isofinirina Josette Frida. Mpiandraikitra ny fitantanana eo anivon’ny hopitaly izy. 10 taona niasana tao amin’ny CHU izy. Namiratra hatrany tamin’ny andraikitra rehetra nampanaovina azy, araka ny voalazan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasa­la­mam-bahoaka. Mpitarika fakan-tahaka iha­ny koa. Mpandraharaha voalohany, voafidy hitantana ny […]

Produir- BNGRC : hiara-hiasa ho fiatrehana ny loza

Hiara-hiasa ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC) sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny tetikasa Produir. Tanjona manokana ny hanamafisana ny fiomanana amin’ny vonjy taitra sy ny fahaiza-mamaly eo anivon’ireo kaominina telo manodidina hiasan’ny tetikasa Produir (Anosizato Andrefana, Bemasoandro sy Andranonahoatra). Ankoatra izay, […]

Ambohimirary sy Anjeva: ankizy an-jatony nomena kilalao, tantsoroka ho an’ireo sahirana

Nizara kilalao ho an’ny ankizy ny fikambanana Aro ny aina Côte d’Azur Madagascar. Hanolotra tantsoroka ho an’ny sahirana eny Ambohimirary kosa rahampitso. Nizara kilalao ho an’ny ankizy sahirana eo anivon’ny Paroisse Notre Dame de Fatima Ambohi­mirary, Ampasampito, ny Association Aro ny aina Côte d’Azur Madagascar. Nitarika ny hetsika, natao ny […]

TARATRY ny KANTO

«Tany vaovao». Tanterahina eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimboahoaka, ny tolak’ andron’ny 6 janoary 2024, ny fampirantiana « Nouvelle terre, Tany vaovao ». Mpahay kanto miisa 5, samy manana ny mampiavaka azy, no miara-misalahy amin’ ny fanatontosana izany. “Takarivan’Iarivo”. Hisy ny hetsika “Takarivan’Iarivo”, tanterahina eny amin’ny Avenue Analakely, anio sy rahampitso. Hetsika ahitana […]

«Mozika an-dalambe 2.0»: ao anaty fanomanana ny tomponandraikitra

Ao anatin’ny fikarakarana ny hetsika «Mozika an-dalambe 2.0», ny tomponandraikitra amin’izany, amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina, fizarana mozika mandritra ny vanim-potoanan’ny Noely sy ny taona vaovao izy ity, izay atao eny an-dalambe, ho fizarana sy fifampizarana hafaliana amin’ireo olona sahirana eny. Eny Antaninarenina, ny 30 desambra 2023 no kasain’ny tomponandraikitra hanaovana […]