Auteur/autrice : Adnews

Fanavaozana ny fitsarana : Lehibe sy maika ny amin’ny ady tany

Amin’izao fitondrana Fanavaozana izao, miroso amin’ny fanavaozana koa ny tontolon’ny fitsarana. Natao teny Ivato, omaly, ny fivoriana, atrikasa, ho amin’ny fanavaozana ny sehatry ny fitsarana. Tanjona amin’izany ny handinihina sy hamaritana ary hametrahana izay laharam-pahamehana amin’­ izay fanavaozana ilaina sy andrasana. Ho amin’ny fanatsarana ny fahombiazan’ny rafi-pitsarana izany. Eo koa ny […]

TSELATRA

Fiara roa indray no nifandona tetsy Andre­fan’Ambohijanahary, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 6 ora latsaka fahefany. Fiara Sprinter iray no nidona mafy tamina Peugeot 205 fotsy nijanona teo amoron-dalana. Voatrongy avy ao aoriana ilay fiara ary mbola niroso nahavoadona olona nijanona tamin’ny sisin-dalana. Olona manodidina ny dimy ireo naratra ary […]

Lozam-pifamoivoizana teny Nanisana: Nitolo-batana eny amin’ny polisy ilay mpamily

Atao famotorana eny anivon’ny mpitandro filaminana ny teratany Indianina nitondra fiara tsy mataho-dalana nandona olona teny Nanisana, ny sabotsy 04 jolay teo. Nipa­ritaka nanerana ny tambajotran-tserasera ny sarin’ny lehilahy iray nihoson-dra voalaza fa nodomin’ny fiara 4×4 miloko mena teny Nanisana, boriborintany fahadimy, ny sabotsy lasa teo. Nifamonjen’ireo nanatri-maso io olona […]

Antohomadinika : Nitokona ny mponina

Nilanja sorabaventy ireo mponina eny amin’ny fokontany Antohomadinika Atsimo, boriborintany voalohany, omaly. Nitsipaka ny fametrahana ny sefo fokontany vaovao izy ireo. « Tsy manaiky filoham-pokontany vaovao izahay. Aleo fidiana izay hitantana », hoy ny fanazavan’ny solontenan’ireo mpitokona teny an-toerana. Manohana hatrany ny sefo fokontany teo aloha ireo nilanja sorabaventy, araka ny angom-baovao. […]

Voalaza ho nangala-jaza : Vehivavy iray voasambotry ny fokonolona tetsy Ankaditoho

Saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ny vehivavy iray, voalaza fa saika nangala-jaza, omaly atoandro tetsy Ankaditoho Tsimbazaza. Tonga nisambotra azy sy nitondra azy niatrika fanadihadiana ny polisy taorian’izay. Misesisesy ny fahatrarana olona voalaza ho mpangala-jaza tato ho ato. Taorian’ny fisamborana vehivavy iray, voampanga ho nangala-jaza tetsy Ilanivato, ny sabotsy teo, vehivavy iray […]