Auteur/autrice : Adnews

Airtel-SG Madagasikara : Ekena ny fifanakalozam-bola niomerika

Nampahafantarina ny besinimaro, omaly, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Airtel Money sy ny banky Société générale (SG) Madagasikara. Fifanarahana mifantoka amin’ ny fahafahana mampifandray ny kaontim-bola eo amin’ny roa tonta. Izany hoe, azo atao ny mandefa vola avy amin’ny kaonty Airtel Money mankany amin’ny kaonty banky SG, na koa ny mifamadika […]

« Design For Change » : nisongadina nandritra ny hetsika ny sekoly valo

Tontosa ny hetsika nasionaly « Design For Change » (DFC) sy ny fizarana loka ho an’ireo tetikasan’ny ankizy mendrika indrindra ho an’ny taom-pianarana 2022-2023, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’ny Cnaps Vontovorona. Tetikasa miisa 180 no nifaninana: 133 isa avy amin’ny sekoly miankina ary 61 isa avy amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Namoaka didim-pitondrana laharana 050-2023/Cotal ny kaominina Talatamaty amin’ny hifehezana ireo toerana fisotroana zava-pisotro misy alikaola eny an-toerana. Mikatona amin’ny 9 ora alina ny toeram-pisotroana. Tsy mahazo mamoaka latabatra sy seza eny an’arabe. Mampimenomenona ny mpandeha eny Talatamaty tokoa ny fisian’ireo seza sy latabatra mibahana ny sisin-dalana ary ahina hitera-doza. Ilaina […]

Toamasina: misokatra ho an’ny daholobe ny Miami mandritra ny 3 andro

Tonga ilay fotoana! Higoka ny hakanton’ny fotodrafitrasa vaovao ny mponina ao Toamasina. Hisokatra maimaimpoana ho an’ny rehetra ny Miami mandritra ny telo andro. Nanapa-kevitra ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, fa hosokafana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka ny ao Miami (Miray hina ary mifankatia) manomboka anio […]