Auteur/autrice : Adnews

Hetsiky ny kandidà 11 : voasakan’ny mpitandro filaminana

Tsy vita hatramin’ny farany ny diaben’ny 11 kandidà, omaly. Nifarana tetsy Mana­kambahiny izany raha nikasa ny ho any Tsimbazaza izy ireo. Tsy mbola vita ny kabarin’ireo mpitarika ny diabe, nisy mpitandro filaminana marobe nandrava ny hetsika teny an-toerana. Tsiahivina fa tokony teny Bel’Air ny fotoanan’ireto mpanao fihetsiketsehana ire­to, saingy efa […]

TSELATRA

Navotsitry ny mpitandro filaminana ilay mpilalao horonantsarimihetsika malagasy, Jork Imbilaya, voasambotra tao Imeritsiatosika, omaly. Anisan’ireo nitarika fidinana an-dalambe mifandraika amin’ny hetsika ataon’ireo kandidà miisa 11 izy. Nampahafantatra tamin’ny tambajotran-tserasera izy rehefa nalefan’ny mpitandro filaminana nody. Mpamaky trano ikoizana maty voatifitra tao Ankiliniabo, kaominina Analavory, ny alarobia 18 oktobra teo. Nifanenjehan’ny […]

Fakana an-keriny : ankizy roa lahy avotra

Notazonin’ny dahalo nanomboka ny 12 oktobra teo, avotry ny zandary ny ankizy roa lahy tao Antsiafabositra, kaominina Andriba, distrikan’i Maevatanana, afakomaly. Nalain’ny olon-dratsy an-keriny tao amin’io tanàna io ireo ankizilahy 9 taona sy 14 taona ireo. Nohazonin’ny mpaka takalonaina izy mirahalahy ireo ary notakina vola an-tapitrisany tamin’ny fianakaviana. Nanao ny […]

Nanodinkondin-jaza : Pasitera nogadraina !

Notanana am-ponja vonjimaika ny pasitera avy amin’ny fiangonana iray. Nampangaina ho nanodinkondin-jaza tsy ampy taona izy. Tomponandraikitra ao amin’ny sekolim-pinoana iray, ao amin’ny kaominina ambanivohitr’An­dasi­be, distrikan’i Vavatenina, ity pasitera naiditira am-ponja ity. Mpianatra kilasy fahadimy no voalaza ho nahodinkodin’io pasitera io tamin’ilay ankizy 14 hatramin’ny faha-15 taonany. Nipetra-drery nanofan’ny ray […]