Alohan’ny handraisana zazakely vao teraka, mila fiomanana maro samihafa izany na ho an’ny reny na ho an’ny mpivady. Tafiditra ao anatin’izany avokoa na ny ara-bola, na ny ara-batana sy ara-tsaina. Anisan’ny zava-dehibe, indrindra amin’izy ireo, ny fiomanana ara-tsaina, raha ny fanadihadiana natao. “Tsy kilalao ny miteraka sy mitaiza, mila fahamatorana […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Niarahaba ny filohan’ny Federasionin’ny baolina kitra (FMF) vaovao, Randriamanampisoa Alfred, ny kandidà Rajoelina Andry, amin’ny maha mpankafy azy io taranja io. “Manantena aho fa hitondra rivo-baovao ho an’ny kitra ianareo ka hanome aina indray ity taranja tiantsika ity. Ho eo akaikinareo aho ary vonona hifanome tanana”, hoy izy. “Tsy fananan’ny […]
Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Tsy misy antony hitsipaham-pitokisana ny governemanta”
“Tsy mahita aho ny antony tokony hanatanterahana fitsipaham-pitokisana ny governemanta, izay efa fotoana fohy sisa no ipetrahany eo.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Miarinarivo tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa Fetra, manoloana ny hoe mety hisian’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta amin’izao fivorian’ny Antenimierampirenena izao. Governemanta manao fampandehanan-draharaha mandra-pahatonga ny filohan’ny Repoblika […]
Tsy hery fa fanahy?
Nidina an-dalambe hatrany ny kandidà 11, omaly. Tsy niraharaha izay lalàna na fepetra noraisin’ny prefektiora izy ireo. Tsy vitan’ny namory vahoaka fa nidina an-dalambe mihitsy. Mitaky fanavaozana saingy mijoro ho tsy manaja lalàna. Mandrefy hery amin’ny fanjakana, miziriziry amin’ny heviny. Milaza ho modely tsara, mitady hirika hitondrana fahefana izy […]
Kandidà Andry Rajoelina : “Tsy azo ekena ny fanakorontanana”
Nanomboka ny tafa hataony isan-kariva, ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, omaly. Hentitra ny nambarany manoloana ny raharaham-pirenena. Nambarany fa tsy hisy fampandrosoana mirindra eto raha mbola misy ny fanakorontanana. “Hanimba ny firenena izany ka tsy azo ekena ny fanakorontanana… Efa betsaka ny vitantsika ka aoka ny tombontsoan’ny maro anisa […]




