Manahy sahady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny mpiara-belona manoloana ity raharaha politika misy eto amintsika ity. Voatery manakaton-tsena ny ankamaroan’ireo mpivarotra eny an-dalana lalovan’ireo mpilahatra, hisorohana ny fandrobana sy ny tsy fandriampahalemana. Mihena ny vola azo, tsy mihodina ny tsena. Mampitaraina ny fiarahamonina ny fahatapahan-jiro ataon’ny orinasa Jirama eto an-drenivohitra sy […]
Auteur/autrice : Adnews
Eiti Madagasikara : fitrandrahana isitrahan’ny eny ifotony
Natao ny 12 oktobra teo, teny amin’ny foibe Mining business center (MBC) Ivato, ny loabary an-dasy ho an’ny daholobe. Mifantoka tamin’ny lanjan’ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara ny lohahevitra. Nandray anjara ny fiaraha-monina sivily, ny fanjakana, ny orinasa mpitrandraka, ny teknisianina amin’ny lafiny fampandrosoana. […]
Ambanja : Vita ny 65% ny tobim-pamokarana herinaratra
Mitohy hatrany ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy ho tombontsoan’ny besinimaro. Ankehitriny, vita ny 65% ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (central solaire), CS ao Ambanja. Hanana tanjaka 825KWc ny fotodrafitrasa, ampian’ ny milina mpihary herinaratra miisa efatra. Ny roa hanome tanjaka 660KW, ny roa hafa […]
INDRAY MIJERY
Notolorana fitaovam-pianarana ahitana kahie, penina, pensilihazo, solaitra ireo mpianatra miisa 55 tra-boina tamin’ny haintrano tao amin’ny fokontany Ambalahosy Atsimo, kaominina Kianjavato, Cisco Mananjary, tamin’ity herinandro ity. Nisy ny fifanakalozana traikefa teo amin’i Madagasikara sy India, indrindra teo amin’ny fandrindrana ho an’ny mpiantsehatra rehetra mialoha, mandritra ary aorian’ny loza. Misy ifandraisany […]
Miteraka fifanolanana : atsahatra ny fivarotana tanim-panjakana
Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, fa atsahatra tanteraka ny fivarotana na famindrana ny tanim-panjakana natokana “terrain du domaine privé affecté” an’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ireo ivontoeram-pikarohana ary ny IST. Nosinganina manokana ny tany ampiasain’ny Ivontoerana fikarohana momba ny fanafody (Cnarp) eny Ambodivoanjo-Ambohijatovo, izay nangatahan’olon-tsotra […]




