Auteur/autrice : Adnews

Fandaharanasa Better Work : nodinihina ny hisian’ny asa mendrika

Natao ny 27 septambra teo, teto Antananarivo, ny atrikasa mikasika ny rohim-pamatsiana vokatra. Nandray anjara tao ny solontenan’ny minisitera voakasika, ny vondrona mpampiasa, ny sendika, ny mpiasa, ny mpitantana, ny mpianatry ny oniversite, sns. Nikarakara ny Better Work Madagasikara, fandaharanasan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) sy ny Orinasa ara-bola […]

Fampandrosoana ny toekarena : omena tosika ny sehatrasa madinika

Betsaka ireo manampahaizana hita amin’ireo sehatra madinika sy tsy manara-dalàna. Miezaka mamorona sy ma­navao ny asa tanany izy ireo. «Tokony hampirisihina sy tohanana izy ireo mba hampandrosoana ny toekarena ho an’ny firenena », hoy ny akademisianina sy mpampianatra any amin’ny université  de Kyoto, Dr Takahashi Motoki, nandritra ny fiofanana narahina velakevitra […]

Tsenan’ny lavanila: niakatra 280% ny varotra tao anatin’ny telo taona

Ambony ny tsenan’ny lavanila tao Andapa nandritra ny telo taona niaraha-niasa tamin’ny USAID. Nanatsara ny fidiram-bolan’ny mponina ny vokatra azo sady nahafahana niaro ny tontolo iainana. Tsara ny tsenan’ny lavanila tao Andapa tao anatin’ny telo taona. Tafaka­tra 280% ny varotra azon’ireo mpamokatra tohan’ny govenemanta amerikana tamin’alalan’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana […]

mpikambana amin’ny Biraom-pifidianana: tsy maintsy feno alohan’ny folo oktobra

“Raha tratra aoriana in­drindra, tsy maintsy tafapetraka 30 andro mialoha ny datim-pifidianana ny mpikamban’ny biraom-pifidianana. Raha amin’ ny 9 novambra ny fifidianana, ny 10 oktobra no 30 andro mialoha an’izay”. Io ny fanazavan’ny filoha lefitra voalohan’ ny Ceni, Andriama­lazaray An­doniaina, momba ny mpikamban’ny birao fandatsaham-bato. Olona dimy no mpikamban’ny birao […]

Ensoa : kaomandy vaovao ny Kly Razafitombo Leva

Ny Ensoa (Ecole nationale des sous officiers de l’Armée) dia sekoly fanofanana ireo manamboninahitra lefitra malagasy. Tontosa tao Antsirabe, omaly, teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandin’ny Ensoa teo aloha, ny Kly Ratsarahevitra Andriamisetra sy ny kaomandy vaovao, ny Kly […]