Auteur/autrice : Adnews

Antenimierandoholona : tsy misy disadisa eo amin’ny filoha sy ny mpikambana

Nitondra fanazavana momba ny raharaha anatiny eo anivon’ny Antenimierandoholona ny loholona, Ramanambintana Richard. Nambarany fa mifankahazo avokoa izy ireo etsy Anosikely. “Mahafinaritra ny fi­fampiresahana sy ny fifampihainoana, na ny fifanajana fotsiny aza”, hoy ny loholona Ramanam­bitana Richard, teny Ivandry, omaly, momba ny fifandrai­san’ny filohan’ny Anteninmie­randoholona, Razafimahefa Herimanana, sy ny mpikambana […]

Oniversite Fianarantsoa: mankalaza ny faha-40 taona ny ENI

Nosokafana tamin’ity herinandro ity ny fanamarihana ny faha-40 taonan’ny Ecole Nationale de l’Informatique (ENI) ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Anisan’ny se­koly ambony mamokatra mpi­anatra sangany amin’ny se­hatry ny informatika ny ENI. Manaporofo izany indrindra ny firohotry ny tanora na avy aty an-drenivohitra aza tonga mandrato fianarana any Fianarantsoa raha handalina ny tontolon’ny informatika […]

boriborintany FAHA-V: hisitraka ny « fahasalamana manakaiky vahoaka »

Toy ny fanaon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny fahasalamana sy ny sosialy dia hotanterahina eny amin’ny boriborintany fahadimy indray ny hetsika fahasalamana ma­nakaiky va­hoaka. Ny 3 hatramin’ny 6 oktobra izao no hanatanterahana izany eny amin’ny fokontany Soavi­masoandro, Ambohidra­zana fasana be. Marolafy ny karazana tolotra ara-pahasalamana hositrahan’ny mponina […]

Fitantanana ny loza : nohavaozina ny fitaovan-tserasera anatin’ny hamehana

Tontosa tamin’ity herinandro ity nandritra ny hateloana, tany Antsirabe, ny atrikasa fanavaozana ireo hafatra sy fitaovana fampitam-baovao amin’ny serasera anatin’ny vanim-potoana hamehana. Tanjona ny hanavao sy ha­melona indray ireo loharanon-kevitra fototra momba ny fifandraisana sy ny fampahafantarana eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny loza. Zava-dehibe ny fanomezana vaovao marina sy ara-potoana ho […]