Auteur/autrice : Adnews

Toamasina: Tokantrano 1200 nampian’ny Airtel

Nidina tany Toamasina ny delegasionina notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny Airtel Madagasikara, ny 6 marsa teo. Fotoana na­nehoany ny firaisankina amin’ireo traboina tratry ny rivodoza Gezani farany teo. Nisy ny fanampiana, kojakoja sy zavatra ilaina andavanandro, natolotra ny mponina, niarahana ni­asa tamin’ny tompon’andraikitra any an-toerana sy ny rafitra mitantana ny […]

Rugby- ” XXL Top 12″: Adin’ny samy kartie ny an’ny CEA sy ny FTM

Hiavaka ny andro fahafito amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby XXL Top 12. Hifan­dona amin’izany ny ekipa samy kartie, dia ny FTM Manjakaray sy ny CEA Andrano­manalina. Ho tafiditra ao anatin’ny roa voalohany izay mivoaka ho mpandresy, amin’ity. Kihon-dalana lehibe eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja rugby “XXL Top 12”, […]

INDRAY MIJERY

Manambara ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana fa ny zoma 20 marsa 2026, izay andro hankalazana ny Eid Al-Fitr ho an’ireo mpino silamo, dia tsy fiasana fa andraisan-karama manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mihatra amin’ireo toeram-piasana rehetra izany. Mizara ao amin’ny pejiny ny Holafitry ny farmasianina fa raha […]

Ahmadiyya : Nanome tohana ny mponin’i Tongarivo

Toy ny fanaony isan-taona, mandritra ny volana masina Ramadany, tokantrano 350, avy ao amin’ny fokontany Ton­garivo, distrikan’Atsi­mondrano, no nahazo tohana avy amin’ny fikambanana mi­ziolomanina Ahmadiyya, omaly, teny amin’ny moske Tongarivo. “Hetsika efa fanao isan-taona, mandritra ny volana masina Ramadany, ny hetsika toy izao. Tsy misy fanavahana sarangan’olona ny fisitrahana ny […]

Fampianarana ambony : Misokatra ny taom-pianarana 2025-2026

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tany amin’ny Oniversiten’Itasy, ny taom-pianarana vaovao, 2025-2026, ho an’ny oniversitem-panjakana sy ny IST rehetra manerana ny Nosy. Nankasitraka ireo mpampianatra sy mpandraharaha izay mamolavola ny tanora ho lasa olom-banona ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra izany. Nanafatra ireo mpianatra koa izy […]