Auteur/autrice : Adnews

Fifidianana filoham-pirenena : 13 tamin’ny 28 nametraka antontan-taratasy no nahafeno fepetra

Navoakan’ny HCC afakomaly, ny lisitra ofisialy ho an’ ireo kandidà nahafeno fepetra, hofidina ho filoham-pirenena. Miisa 15 ireo voailika raha 13 kosa ireo kandidà ara-dalàna, hifaninana. Nahafeno ny fepetra avokoa izy ireo. Enina amin’ireo mpifaninana, samy efa nisedra ny safidim-bahoaka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena avokoa. Anisany Ravalomanana Marc, Ratsie­tison Jean Jacques, […]

Potiky ny politika

  Mahatonga ny hafa hanampy na hangoraka ny hoe “mahantra”. Tokony hampiana na hovonjena izany ny mahantra: hiantrana. Amin’ny fotoam-pifidianana toy izao vao tena tsaroana ny fahantram-bahoaka? Idinana ifotony, jerena akaiky, ampanantenaina izao na izatsy… Tsy inona fa fakana ny fony sy ny vatony. Tsy hijerena lavitra afa-tsy izay handresena […]

Mitondra firenena ny governemanta : tsy nandray fahefana ny Antenimierandoholona

Nanda ny fahefana nomen’ny lalàna azy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Miara-mitantana ny firenena, araka izany, ny governemanta. Nametra-pialana ny 9 septambra teo ny filohan’ny Repoblika Rajoe­lina Andry, taorian’ny fankatoavan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC ny maha kandidà filoham-pirenena azy. Tokony hisahana izany andraikitry ny filoham-panjakana vonjimaika […]

Nifandona tamin’ny fiarabe… : olona iray maty, naratra mafy ny namany

Mpitondra moto iray maty, olona iray hafa naratra mafy. Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7), ny sabotsy atoandro teo, tao Sambaina PK 133+750, ivelan’ny tanàna somary fiakarana sady fiolahana. Moto iray marika Kymco GP nanao taingin-droa no nifandona tamina fiara 4×4 iray. Tsy nahafehy ny familiana ilay mpitondra […]

TSELATRA

Fatin-dehilahy iray efa nifono tamin’ny harona plastika lehibe nisy nanary teny amin’ny fokontany Mahabo Andoharanofotsy, afakomaly. Mpiasa amina orinasa iray misahana ny fiambenana “agent de sécurité” ity hita faty ity. Tsy mponina eny an-toerana izy, raha ny fanazavan’ny manodidina. Renim-pianakaviana iray 72 taona maty voahosin’ny kamiao teny Andohatapenaka, ny faran’ny […]