Mikorontana tanteraka ny fifamoivoizana eto an-drenivohitr’i Toamasina, ateraky ny fitomboan’ny olona sy fiara noho ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana (Asief). Tsy tambo isaina ny lozam-pifamoivoizana raha tsy hilaza afa-tsy ny bajaj nandona polisy nitondra moto tetsy amin’ny “rond point” Morafeno, ny alin’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 7 ora […]
Auteur/autrice : Adnews
Elgeco Plus sy ny Gaborone United : hotanterahina ny 19 aogositra ny lalao
Araka ny fanambarana nataon’ny klioba Gaborone United Botswana, omaly, hotontosaina ny 19 aogositra ho avy izao, ao amin’ny kianjan’i National Botswana, ny fihaonan’izy ireo amin’ny Elgeco Plus de Madagascar. Marihina fa dingana mandroso amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, “Coupe de la Confederation CAF”, ity lalao ity. Ny 25 na 26 na 27 […]
Sombim-baovao
Araka ny nambaran-dRakotondrabe Romuald, mpanazatra ny Barea, mpilalao 5 avy atsy La Réunion no nantsoiny hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Anisan’izany, i Ando Pro, milalao ao amin’ny JS ST Pierroise. Eo koa i Théodin Ramanjary, vodilaharan’ny AS Sainte Suzanne sy i Rojo Be irakiraky ny Saint Pauloise […]
Judo-Frankôfônia : votsotra teo an-tanan’ i Mireille ny medaly
Judokas tokana tafakatra tamin’ny dingana farany, omaly, tamin’ireo Malagasy nifaninana teo amin’ny taranja Judo, ao anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia, Andriamifehy Mireille (-52kg). Votsotra teo am-pelatanany anefa ny medaly alimo, rehefa resin’ny mpifanandrina taminy, Kamerone, izy. Tsiahivina, nandresy tamin’ny Ippon, nanoloana ny Judokas Senegale, i Sonko Dioddo, i Mireille, tamin’ny fifanintsanana. Ho […]
Kitra – Fifanintsanana Can 2023: ny 7 septambra ny fihaonan’i Angola sy i Madagasikara
Hotanterahina ao amin’ny kianjan’i National de Lubango, ny 7 septambra ho avy izao ny fihaonana miverina eo amin’i Angola sy i Madagasikara. Marihina fa andro farany amin’ny fifanintsanana “Can Côte d’Ivoire 2023”, taranja baolina kitra, ity lalao hatao ity. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. […]




