Miditra tanteraka ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Hampifaly sy hanampy amin’ny fitaizana ireo ankizy sy tanora tsy ho variana na hirona amin’ny karazana zavatra mamoafady sy zava-mahadomelina ny klioba misehatra amin’ny fanaovana baolina kitra. Maro ny klioba na baolina kitra mitsangana eto amin’ny firenena ankehitriny. Entina mitaiza […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Misy tsy fahatomombanana ny lisi-pifidianana, raha ny nambaran’ny filohan’ny Ampela manao politika (AMP), Rasamoelina Brigitte. 15 tapitrisa no tokony ho isan’ny mpifidy, nefa 11 tapitrisa ihany no voasoratra. Manana adidy ny Ceni, na marina aza ny hoe misy ny olona tsy te hisoratra. Fotoana izao hananganana governemanta vaovao hikarakara fifidianana […]
Minisitra Tokely Justin : “Manaja ny fahaleovantenan’ny Ceni ny governemanta”
Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fikaonandoha nokarakarain’ny Ceni, afakomaly, tetsy Ambodivona, ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin. Nohazavainy tamin’izany ny toeran’ny governemanta manoloana ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana. “Manaja ny fahaleovantenan’ny Ceni ny governemanta”, hoy ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, teny Alarobia, afakomaly, manoloana ny filazan’ny antoko […]
Mpitondra tenin’ny governemanta : “Efa anaty zotram-pifidianana isika izao”
Nasongadin’ny minisitra sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Lalatiana Rakotondrazafy, omaly, tao amin’ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono”, ny momba ny fifidianana. “Mandresy lahatra ny Sadc ny sasany ny amin’ny hananganana governemanta iraisana fa tsy hanaovana fifidianana… Efa anaty zotra sy dingam-pifidianana isika izao. Hafa indray raha nisehoana krizy politika teto […]
Resy tsy miady
Leo fahoriana…hany ka be fahasahiana manao ratsy ny ankamaroan’ny olona. Sady nampitolagaga no nampihorona ny hodi-dohan’izay nanatri-maso ny zava-bitan’ ilay raim-pianakaviana ao Toamasina, afakomaly. Taiza no nisy olona sahy manapaka tanana an-kitsirano, imasom-bahoaka izany. Taratry ny fikorontanan-tsaina noho ny tahotra ny fiainana no mahatonga izany. Mazava ny nambarany fa […]




