Namita iraka tany Toliara ny Ipas Afrique francophone sy ny Réseau parlementaire national pour la justice réproductive. Nanatanteraka hetsika faobe ho fampahafantarana ny lalàna laharana 2017- 043 mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana izy ireo. Nihaona tamin’ny talem-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Atsimo Andrefana, Rambeloson Basile Casimir, ny herinandro lasa teo, […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina, ny volana avrily ny fihaonana miverina eo amin’ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC Vakinankaratra, raha tsy misy ny fiovana. Marihina fa ity fifanandrinana ity dia tafiditra anatin’ny andro faha-11, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny taranja baolina kitra «Pureplay Football League (PFL)». Nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra […]
Barean’i Madagasikara : Efa any Turquie ny ankamaroan’ny mpilaravinahitra
Araka ny fikarohana natao omaly, efa any Antalya Turquie, ny akamaroan’ ny mpilaravinahitra ao amin’ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Anisan’izany ry Clement Couturier, Sandro Tremoulet, Ehsan Khari, Thomas Fontaine, Johan N’Zi, Morgan Jean Pierre, Bryan Adinani, Tommy Iva. Nigadona omaly, niaraka tamin’ny mpilalao koa i Corentin Martins, mpanazatra ny ekipam-pirenena. Raha […]
Taranja Karate: Hisy ny fanatsarana amin’ny lafiny maro
Nahitana lesoka ny lafiny fanazarana sy fitsarana ary fitantanana nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy, farany teo, araka ny tatitra nataon’ny eo anivon’ny Federasiona karate-do malagasy. Hisy ny fanatsarana hatao. Ny “cadres” na ny lafiny fanazarana sy fitsarana ary fitantanana no andry iray mampandroso ny fanatanjahantena […]
Mpanao gazety ara-panatanjahantena : Namboly hazo tany Ambohimanjaka
Tsy nijanona tamin’ny fanatanjahantena irery ny hetsika ataon’ny Union des journalistes sportifs de Madagascar (UJSM) fa nivelatra tamin’ny fanaovana adidy ho an’ny tanindrazana dia ny fambolen-kazo. Nanatanteraka izany izy ireo ny sabotsy lasa teo. Taorian’ny fanatontosana ny «Media cup pétanque», niroso tamin’ny fambolen-kazo indray ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto […]




