Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Tanterahina eny Ankatso ny fakan-kevitra ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara, miaraka amin’ny mpianatra, mpampianatra ary mpikaroka momba ny fanovana ny rafitry ny vola. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola nitohy ny adihevitra niarahana tamin’ireo mpisehatra samihafa. Tsiahivina fa tetikasan’ny BFM ny hanafoana ny vola taratasy manomboka amin’ny 2 000 ka hatramin’ny 20 […]

Hatramin’ny taona 2022 : Nitombo ny entana nafaran’i Madagasikara

Maherin’ny 23,9% ny ta­han’ny fanafarana sakafo nataontsika ny taona 2025, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Ma­dagasikara (BFM). Misonga­dina manokana ny vary izay tafakatra hatrany amin’ny 761 872 taonina. Kely ny vokatra teto an-toerana, ny taona 2024 ka nampitombo ny vary nafarantsika. Antony mahatonga ny rafi-pahefana nasionaly misahana ny fepetra […]

Fambolena: Mila aparitaka ny teknika agroekolojia

Nankalazaina ny 20 sy 21 marsa teo, tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny Andron’ny vehivavy sy ny agroekolojia. Lohahevitra noraisina ny hoe : «Vehivavy, andry iray ho fanavaozana ny famokarana amin’ny alalan’ny teknika agroekolojika». Nikarakara azy ny Fitantanam-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) Analamanga, eo ambany fiahian’ny minisitera foibe Minae. Nandray […]

Faritra Atsimo: Antoky ny fanjarian-tsakafo ny fambolena apemba, bajijy ary voanjo

Marefo ny rafitra ara-tsakafo raha tsy mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro ny voly. Anisan’ny vahaolana any atsimo hiatrehana izany ny fambolena apemba, bajijy ary voanjo. Tafapetraka ny 18 marsa teo ny fiaraha-miasa ao anatin’ny fandaharanasa Defis. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ ny Fida vola. Tanjona ny […]

FANTINA sy FINTINA

“Tsy miady seza fa miasa ny antoko Ma­lagasy miara-miainga”, hoy ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Nambarany fa tafiditra amin’ny fanohanana ny fitondram-panjakana ho fampandrosoana ny firenena izany. «Voalohany nitaky ny fanavaozana ny filoham-panjakana fa isika kosa no faharoa», hoy izy. Tokony handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra ny vehivavy, […]