Rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifampitifirana tao Ambohimandry, distrikan’ Arivonimamo, afakomaly, ireo andian-jiolahy nikasa hanao fanafihana tao an-toerana. Niainga avy ao Imerintsiatosika dia efa fantatry ny zandary ny fanafihana nokasain’izy ireo hatao. Nametraka ny vela-pandrika sy nanao fanarahan-dia ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimandry sy Miantsoarivo, notarihin’ny chef […]
Auteur/autrice : Adnews
Mangingina…hafahafa !
Mangingina toa mifono toe-javatra hafahafa ny raharaha politika eto amin’ny firenena, ankehitriny. Iaraha-mahalala anefa fa mihenjana sy mamaivay izany any ambadika rehetra any. Ampahany ihany no hita sy voizin’ny sasany eny amin’ny tambajotran-tserasera. Efa samy miketriketrika ny fomba rehetra hampiodinana ny lamasininy avokoa ny mpisehatra politika. Ny eo anivon’ny fitondram-panjakana, […]
Ambohibarikely Anosibe : voatsatoka antsy teo amin’ny vavany i Sitrakiniaina
Valifaty! Tsy fahazakana zava-mahadomelina mahery vaika! Tovolahy iray 16 taona antsoina hoe i Nahoma Sitrakiniaina no notsatohana dimy lahy antsy teo amin’ny vavany teny Ambohibarikely Anosibe , ny talata hariva teo. Nampivarahontsana ny fahitana ny zava-misy satria nitsatoka teo amin’ny vavany sy ny orony ny antsy ka mbola niraikitra teo […]
Aparitaka ao Ambanja : roa lahy nahatrarana vola sandoka
Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ireto lehilahy roa voarohirohy noho ny fitondrana vola sandoka tao Ambanja, omaly, ireto. Ny polisy ao amin’ny kaomisaria Ambanja no nahasambotra azy ireo. Loharanom-baovao no azon’ny polisy momba ny fisiana lehilahy roa manaparitaka vola sandoka ka nahafahana nisambotra azy ireo. Natao ny vela-pandrika ka tratra […]
Hosoka sy fanaovana hosoka : teratany karana mpivady eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana
Niakatra fampanoavana , afakomaly, ny teratany karana mpivady voarohirohy ho nanao hosoka sy fanaovana hosoka ary tsy nandoa vidin-dranon’ny Jirama nandritra ny dimy taona. Nanofa trano tao amina trano iray eny Anosivavaka Ambohimanarina ity teratany karana ity, ny taona 2018 ary efa nisy ny fifanarahana vita amin’ny hahafahan’izy ireo manofa […]




