Auteur/autrice : Adnews

Fiainan’antoko : miasa sy manentana ny Tim

Manetsika ny eny ifotony ny Tim sady manentana. Anisan’izany ny eny anivon’ireo fokontany any Fianaran­tsoa. “Mitohy ny fanentanana hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Manana 20 an­dro hanamarinana ny anarany sy ny mombamomba azy eny anivon’ny fokontany kosa ireo efa nahavitra izany”, hoy ireo mpitarika. Efa nanao ny azy ary mbola mitohy […]

Sosialim-bahoaka sy fifidianana; raikitra ny fidinana ifotony, fakan- kevitry ny FFKM

Tsy an-kiandriandry fa arahina asa. Efa niroso amin’ny fidinana ifotony ho amin’ny fakan-kevitra ny eo anivon’ny FFKM, ankehitriny. Niainga amin’ny efa nambaran’ireo filoham-piangonana taorian’ny fikaonandoha nokarakaraina teny Ilafy, ny faran’ny volana marsa teo, izao ary efa fanohizana izany avy hatrany. Nambaran’ny loharanom-baovao fa efa voarindra sy voalamina avokoa miainga any […]

Ceni : Maro ireo tsy manana karapanondro

“Ny lafiny karapanondrom-pirenena no olana vokatry ny fihaonana tamin’ny rantsamangaika ety”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianari­sedo Dama Arsène, tany Ma­nakara, omaly. Tena mbola maro ny olona tsy manana karapanondro. Misy manana laharana fa tsy manana karapanondro. Mila hatao izay fomba hananan’ireny olona ireny karapanondro hahazoany mandray anjara amin’ny fifidianana. Mila […]

Antoko HVM : “Mihemotra be ny demokrasiantsika”

“Tsy ny fanehoan-kevitra no anaovana fihibohana. Mampirisika ny rehetra han­da an’izany izahay, satria mihemotra be ny demokrasiantsika”, hoy ny mpandrindra nasioanalin’ny HVM, Rakotovao Rivo, omaly, ma­noloana ny fepetra tsy fahazoana manao famoriam-ba­haoka ankalamanjana. Aminy, anjaran’ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro filaminana ny mijery izay olona mihoa-pefy, fa tsy fandraisana fepetra ho […]

Pretra Andrianjava Serge: “Tokony harindra ny fiaraha-miasan’ireo mpisehatra fifidianana”

Mandeha ny fotoana… Aiza ho aiza ny fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, ny pretra Andrianjava Serge: “Tokony harindra ny fiaraha-miasan’ny Ceni sy ny FFKM ary ireo mpanara-maso fifidianana.” “Amin’ny fifidianana, misy ny mpifanandrina : ny kandidà sy ny antoko politika manohana azy. Misy […]