Auteur/autrice : Adnews

Fampitomboana voka-bary ao Ihosy : tohodrano vaovao manondraka lemaka 200 ha

Naorina ao amin’ny fo­kontany Bedado, kaominina Sahambano, distrikan’Ihosy, faritra Ihorombe ny tohodrano manondraka lemaka 200ha, nataon’ny fandaharanasa «Dé­fis». Natao izany hanatsarana ny voka-bary any an-toerana. Namaly ny hetahetan’ny tsantsaha mpisitraka miisa 174 izay mivondrona ao amin’ny fikambanana «An­dria­misara Vagnosoa» ity tohodrano vaovao ity. Velom­bolo tanteraka ny mponina ary manantena ny […]

« Complexe de pêche »: tetikasa lehibe valo napetraka ao amin’ny faritra Diana

Hisitraka fotodrafitrasa hanatsarana ny sehatry ny jono ny faritra Diana. Hitsangana amina toerana miisa fito any amin’ny faritra avaratra ny “complexe de pêche” hanatsarana ny vokatra. Toerana fito ao amin’ny distrikan’Ambanja sy Nosy Be, faritra Diana no hanana «complexe de pêche» tsirairay avy. Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny sehatry ny […]

Fikambanana SISAL : vitsy ny tahan’ny mpivarotena mitondra VIH/Sida

Vitsy ny tahan’ny mpivarotena mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto amin’ny Nosy, raha oharina amin’ireo olon-tsotra nanao fitiliana, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny SISAL (Sambatra Izay Sa­lama). «Aretina azo avy amin’ ny firaisana ara-nofo no hita amin’ny ankamaroan’ny ve­hivavy mpivarotena», hoy ny filohan’ny filankevim-pintanana eo anivon’ny Sisal, Ranaivonirina Mariah. Maro […]

Governoran’Analamanga : avotana haingana ireo lalana manomboka simba

Nijery ny fandehan’ny asa fanamboaran-dalana teny Ivato manakaiky ny seranam-piaramanidina, omaly, ny governoran’Analamanga, Ra­soamaromaka Hery sy ireo mpiara-miasa aminy. Nohazavainy tamin’izany ny fitsinjarana andraikitry ny faritra Analamanga sy ny minisiteran’ny Asa vaventy ary ny CUA amin’ny fanamboarana ireo lalana simba eto Antananarivo sy ny manodi­dina. Miainga eny Ivato ny asa […]

Varotra hani-masaka : mitohy ny fampiofanana ataon’ny CUA, INTH, Fhorm

Mifarimbona ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy Fhorm ary ny INTH amin’ny famolavolana ireo mpivarotra hani-masaka ho tonga matihanina amin’ny asa fivelomany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatanterahana ny vinan’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, amin’ny fampivoarana ireo mpivarotra madinika izao fiofanana izao. Hofanina mandritra ny herinandro, araka izany, ireo mpivarotra hahafehy ny […]