Hotontosaina anio, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, ny atrikasa “Torolalana ho an’ny fanoratana tononkalo”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Famoloana Telozoro, miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Andrianimerina Hobiana, poeta sy mpanoratra, no hitondra ny famelabelarana. Tanjona ny fanarenana ny literatiora malagasy sy ny haikanto, indrindra ny teny malagasy. Mitohy […]
Auteur/autrice : Adnews
Hira evanjelika : Ankohonana iray mandrafitra ny tarika « Ny toa azy »
Ray sy renim-pianakaviana miaraka amin’ireo zanaka nateraka ! “Ny toa azy”, tarika hivondronan’ny ankohonana iray resy lahatra amin’ny antson’ Andriamanitra ny amin’ny hitoriana mandrakariva ny teny soa mahafaly amin’ny alalan’ny fampiasana ny talenta notovanana fianarana sy fandalinana norantovina tamin’ireo mpahay sy mpitendry mozika efa matihanina. Ny taona 2021 no nijoro ny […]
Kintan’ny Fanilo mikabary : navoaka ny andia « Mazava »
« Manandratra ny Zava-masina ho Vatsy » na ny « Mazava ». Ho an’ny Fikambanan’ny Kintan’ny Fanilo mikabary, andiany fahefatra navoakan-dry zareo ny « Mazava » nahitana 35 mianadahy. Niofana nandritra ny enim-bolana izy ireto. Nianarana ny kabary fototra, ny kabary am-panambadiana ary ny kabary an-karatsiana. Nasongadin’ny filoham-boninahitry ny Kintan’ny […]
Mozika Jazz: hiavaka ny NBJF amin’ny andiany fahefatra
Niezaka nanatsara hatrany ny mpikarakara ny NBJF hatramin’izay fito taona nisiany izay. Hiavakakely ny hetsika amin’ity taona ity, ankoatra ny fiovan’ny toerana hanaovana azy. Na eo aza anefa izany, tsy miova ny tanjona sy ny laza hatramin’izay. Hanomboka anio ary tsy hifarana raha tsy ny 10 avrily 2023, ny “Nosy […]
Loholona Ramanambitana R. : “Tsy misy ambonin’ny lalàna”
“Amin’ny ankapobeny, malalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara. Misy ny fanambaran’ny minisitry ny Atitany, tamin’ny herinandro lasa teo, izay karazana lalàna mifehy ny famoriam-bahoaka. Araka ny fomba fijerin’ny eto anivon’ny Antenimierandoholona, lalàna ireny. Tsy misy olona ambonin’ny lalàna”, hoy ny loholona Ramanambitana Richard, omaly, ny amin’ny fepetran’ny minisiteran’ny Atitany fa tsy azo atao […]




