Auteur/autrice : Adnews

Tao anatin’ny herinandro: olona iray matin’ny covid-19

Nahafaty olona iray indray ny valanaretina covid-19 tao anatin’ny herinandro (11-17 marsa). Mahatratra 30 kosa ireo trangan’aretina vaovao hita tamin’ireo olona 260 nanaovana fitiliana. Eto Analamanga avokoa ny 23 amin’ireo olona nahitana ny tsimokaretina. Olona 6 kosa no fantatra fa misy tsimokaretina any Vakinankaratra ary 1 any Atsinanana. Midika izany […]

Fahasalamam-bahoaka : manampahaizana 237 nahavita fianarana

Nivoaka ny zoma lasa teo ny mpianatra miisa 237, avy amin’ny sekoly ambony tsy miankina, InSPNMad. Nisa­lotra ny anarana «Meva» ity andiany ity. Nahitana mpampivelona miisa 119, mpitsabo mpanampy 99 mianadahy, teknisianina amin’ny fanaovana fitiliana «technicien de laboratoire» miisa fito, ary mpitsabo amin’ny alalan’ny otra «kinésithérapeute» miisa 12. Notanterahana teny […]

Tontolon’ny oniversite: mitady vahaolana ny minisitera sy ny fikambanan’ny mpianatra

Manoloana ny fanatsarana takin’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Miara-mitady ny vahaolana ho an’ny tontolon’ny oniversite ny minisitera sy ny fikambanan’ny mpianatra. Nihaona tamin’ny fi­kambanana sy ny mpitarika ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23 ny minisitra As­soumacou Elia Beatrice, mi­nistry ny Fampianarana am­bony sy ny fikarohana siantifika, ny faran’ny herinandro teo. […]

Fifanintsanana Can 2024: nivondrona nanomboka omaly ny Barea

Telo andro sisa, hihaona amin’ny les Fauves de Centra­frique ny Barea. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana Can Côte d’Ivoire 2024, ho­tontosaina ny alakamisy 23 marsa ho avy izao, etsy amin’ ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Notanterahina omaly teny Mahamasina ny fampivondronana ny Barea. Tonga dia nanomboka ny fanazaranten’ izy ireo, taorian’ny nahatongavan’ireo […]

Boxe française savate: Tanjon’i Madagasikara ny hahazo ny «Mondial 2023»

Tontosa tany Antsirabe, ny 21 janoary lasa teo ny fivoriamben’ny Federasiona ma­lagasin’ny boxe française savate. Nahazo fankatoavana 100 isan-jato tamin’ireo ligy 9 ireo mpitantana ankehitriny. Nambaran’i Nakolo Jean Aimé, filohan’ny federasiona fa feno ny fandaharam-potoanan’ity haiady ity, ho an’ny taona 2023. Tanjona goavana ny fiatrehana ireo fifaninanana iraisam-pirenena, ka laharam-pahamehana […]