“Tsy tokony hametraka olana isika na ao anatiny na ivelan’ny fitondram-panjakana: tokony hatoky ny rafitra misy eo”, hoy ny tale jeneralin’ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika, Andriamananoro Augustin. Tsy tokony hanana ahiahy izany, ka hanosika ny tena na ho voatosika amina savorovoro, hiteraka tsy fitoniana. Efa sahirana isika. Eo ny fiakaran’ny vidim-piainana, […]
Auteur/autrice : Adnews
VMMM: “Tsy mandroso fa mihemotra isika”
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny filoham-boninahitra sy ny filoha ary ny biraon’ny Vehivavy Malagasy miara-miainga (VMMM), ny herinandro teo. Nampahery ireo vehivavy tsy mba afaka niara-nankalaza ny 8 marsa noho ny sakantsakana samihafa izy ireo. “Teo koa ny fampanantenana ny fanemorana ny hanamarihana sy hankalazana izany nefa tsy noraiketina akory. […]
Fiatrehana ny fifidianana : manomboka misintaka amin’ny fitondrana, ireo depiote
Nanapaka ny tadipoitrany amin’ny mpitondra ireo depiote tsy miankina. Diso fanantenana amin’izao fitondrana izao ny maro amin’izy ireo, araka ny lahateny tany Tsiroanomandidy ny herinandro teo. Anisan’ny nanambara izany ny depioten’i Fenoarivo Atsinanana, Mohamad Ahmad sy ny avy any Mananjary, Mamihaja Charlot. Samy nanitrikitrika ny mpandaha-teny fa tsy araka ny […]
Ratsiraka Annick: “Tsy mendrika antsika ny zava-misy”
“Tsy mendrika ny firenena sy ny vahoaka izao zava-misy izao. Anjaran’ny mpitondra ny mamelona ny vahoaka ao aminy. Manana tany manan-karena isika kanefa mahantra”, hoy ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, tetsy Antsahamanitra, omaly. Nanamarika ny tsingerin-taona faha-74 ity antoko naorin’ny amiraly Ratsiraka ity. Notsiahiviny fa efa tamin’ ny fotoan’ny […]
Fikaroham-bahaolana: nikaondoha ny etamazaoro politika mpanohitra
Nihaona, tsy azo natrehin’ny mpanao gazety teny Ambohimanambola ny etamazaoro politika maromaro, ny zoma teo. Tsy nisy nipika ny dinika, izay naharitra ora efatra. Fikaroham-bahaolana isorohana korontana! Nanatanteraka fikaonandoha ny mpanohitra ny zoma lasa teo, teny Ambohimanambola. Nisongadina ny handraisan’izy ireo andraikitra noho ny fahitana fa misedra olana ny vahoaka […]




