Nisavorovoro ! Raikitra ihany ny fihaonan’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc tamin’ny vahoaka na nosembantsembanin’ny Emmo/Reg aza teny Avarabohitra, afakomaly. Nirefotra ny lakrimozenina, nandravana ireo nisesika hiditra ny vavahadin’olon-tsotra, hanaovana ny hetsika. Tafiditra ihany ny maro tamin’izy ireo. Nisy kosa ny torana, sempotry ny baomba mandatsa-dranomaso.Nambaran’ny mpanorina ny Tim, voahitsakitsaka […]
Auteur/autrice : Adnews
Mbola tsy fandriampahalemana ihany…
Mbola tsy fandriampahalemana ihany… Mandra-pahoviana? Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaina. Efa mby amin’ny tsy zaka sy tsy azo leferina ny raharaha amin’izao: fandatsahana aina, fakana takalon’aina, fiparitahan’ny zava-mahadomelina… Tsy inona fa filalaovana sy famiravirana aina. Na ho an’ny mpanao ratsy sahy mivarotra aina fa tsy mataho-maty izany, na ho an’izay […]
Fiara voafaokan’ny lamasinina : telo namoy ny ainy, tapa-doha ny iray
Nifandona tao Andekaleka, ny lamasinina sy ny fiara 4×4 iray, tamin’ny sabotsy. Maty tsy tra-drano ny teknisianina telo lahy, mpiasan’ny Jirama. Tapa-doha ny iray tamin’izy ireo. Mampihorin-koditra ny lozam-pifamoivoizana, niseho tany Andekaleka, afakomaly hariva. Tokony tamin’ny 6 ora sy 50 mn no nisehoan’izany. Voatrongin’ny lamasinina ny fiara 4×4 iray, nitondra […]
Tsy tiana handova : nasain’izy mivady novonoina ny vinanto sy ny zafikelin’izy ireo
Naiditra am-ponja vonjimaika ny alakamisy teo ny rafozan’ilay ramatoa talen-tsekoly novonoina niaraka tamin-janany, tao Antanimena, kaominina Manakambahiny Andrefana, distrikan’Ambatondrazaka. Voasambotra ny herinandro lasa teo ny vavy antitra iray 66 taona sy rangahy vadiny 70 taona. Ahina ho atidoha nikotrika ilay vono olona izy ireo. Taorian’ny famotorana lalina nataon’ny zandarimaria, tratra […]
Ambohimiandra : maty voatifitry ny zandary i Betsy sy Solofobe
Nikononkonona fanafihana, ravan’ny zandary ka maty ny roa tamin’ireo jiolahy tao Ambohimiandra, ny alakamisy 16 marsa teo. Nikaon-doha tao anaty trano kely anatin’io tanàna io, tsikaritry ny fokonolona io fikambanan-jiolahy io. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny olona tsara sitrapo. Nidina ifotony ny zandary. Niparitaka nandositra ireo jiolahy. Vaky […]




